Mampiorina ny mino ny famonjen’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Aprily 2021

Jaona 21 :9-14

Jaona 21 :9-14
1 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:

Mampiorina ny mino ny famonjen’i Kristy

1-Manomana sakafo ny Tompo

Ireo mpianany tsy nahazo na inona na inona nandritry ny alina. Tsy nahita izay hanin-kohanina no nanomanan’ny Tompo sakafo. « Hoy Jesoa taminy : avia hisakafo ». Jesoa nanara-maso ny mpianany ary niditra an-tsehatra nanampy ary nanome hanina sahaza. Amin’ny fotoana hitotototoantsika ka tsy hahitantsika mangirana eo amin’ny fiainana dia manara-maso antsika Andriamanitra. Aza manalavitra Azy, fa avelao Izy hiteny amintsika. Manana mandrakariva izay hatolony ho antsika Andriamanitra dia ny sakafo mahavelona ho antsika izany. « Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny Teny rehetra izay aloakan’ ny vavan’Andriamanitra » (Mat 4.4).

2-Manolotra sakafo ny Tompo

Ny mpianatry ny Tompo raha nandeha nanarato dia tsy hoe satria te hiverina amin’ny sasany teo aloha tsy akory fa noho ny hanoanana. Mpahazo ny olona rehetra izany , ka nahazo ny mpianany ihany koa. Tonga i Jesoa nanolotra mihoatra izay notadiavin’ireto mpianany ireto. Ity fanolorana sakafo nataon’i Jesoa ity dia fanovana ny toe-java-nisy teo amin’ny mpianany. Ilay alina mangina nivezivezena teny ambony sambo ,ilay fahaverezan-kevitra nateraky ny tsy fahombiazana tamin’ny fanaratoana no indro tonga fihaonam-pitahiana fifanolorana sakafo mahavelona. Ilay maty ka nahavery hevitra ny mpianatra no indro velona ka manolotra fahavelomana ho antsika olombelona (Jao 10.10b)

Fanontaniana :                                                                                    

Mahatsapa ve ianao fa mbola mikarakara anao i Jesoa ?


Mofon'aina teo aloha

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mi...

Alakamisy, 25 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…

Raisin’Andriamanitra ho zanany ny ol...

Zoma, 19 Martsa 2021

Raisin’Andriamanitra ho zanany ny olona : Manana iraka hamolavola olom-banona ny ray , ka tsy maintsy ataony…

Araka ny hevitrao, inona no zavatra ...

Alarobia, 17 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…