Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Jona 2022
Salamo 68,32 - 35
32 Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, 33 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. 34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra. 35 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Izy no mendrika hoderaina satria nampandresy ny olony.

1- Mankalazà Azy (and.32)

 

Tsy dia mahazatra antsika ny fankalazana fa ny fangatahana no tena hiainantsika ankehitriny. Ny fankalazana Azy mantsy dia fiteny sy fihetsika entina mampahafantatra amin’ny olona manodidina rehetra ny asa sy voninahitr’Andriamanitra. Ny fanehoana Azy eo amin’ny fiainantsika isanandro no ahitan’ny olona ny asan’Andriamanitra tamintsika ka indro tanteraka amintsika ny Teny hoe: « Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra » (Zak 8.23)

2- Ekeo ny heriny (and.34)

Maro ny hery ianteheran’ny olona hanavotra azy fa isika kosa dia asaina hanaiky ny herin’Andriamanitra. Ny fanekenao ny heriny no mahatonga Azy handray andraikitra ny amin’ny famonjena anao. Ny heriny mantsy dia tsy hoe mandresy ny fahavalontsika fotsiny fa hitondrany antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Eny ny heriny no nentiny nandresy ny fahavalontsika ka nahazoantsika ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa .

Fanontaniana:

Efa miakatra ve ny fiderana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Efa nivavaka ho an’ny Malagasy ve ia...

Alahady, 26 Jona 2022

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo Paoly, mahatsiaro amin’ny fivavahany ho an’ireto Kristiana tao Efesosy ireto…

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo 

Asabotsy, 25 Jona 2022

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo  1- Liona : Eo amin’ny and.5 dia voalaza hoe: indro…

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Alakamisy, 23 Jona 2022

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo 1- Miovà fo mba tsy hahita loza Manomboka eo amin’ny…