Mampandini-tena antsika ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Martsa 2026
Sal. 66.8-12 / Hira 171,1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480.1,3
Salamo 39,4 - 8
4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. 5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra] 6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany. 7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko. 8 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.Mampandini-tena antsika ny Tompo satria:
1. Mielina izao fiainana izao.
Mieritreritra momba ny fielin’ny fiainana ny mpanoratra ny Salamo faha-39. Nasehony amin’ny endrika vavaka izany. Mazava ny teny ambarany: mielina ny fiainana eto an-tany, tsy mahatratra ny halavan’ny refy faran’izay fohy indrindra teo amin’ny fandrefesana hebreo, dia ny vodivoampelatanana ny fiainana. Mielina tahaka ny ravinkazo, tahaka ny fofonaina (and 5). Tahaka ny aloka, ka zara raha miseho dia midify (and 6). Hadalana ny fanangonan-karena (Lio 12.16-21) satria ho foanana vetivety monja, dia tsy hisy intsony, ary ilaozana avokoa ny tahiry sarobidy. Mitaona antsika handini-tena ny Tompo amin’izao fiainana izao. Aza variana amin’ny rendrarendra mandalo, sy ny zava-poana tsy mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Miorena tsara, aza miova!
2. Aza variana amin’ny harem-ben’ny tany
Tsy milaza akory ny mpanao Salamo eto hoe: tsy ilaina ny harena, na hoe fahotana ny mihary harena. Tsia, fa omen’Andriamanitra antsika ireny, mba hananantsika fiainana araka ny sitrapony. Variana amin’ny harem-ben’ny tany olona, misasatra, mikely aina ery, manao izay tratrany, indraindray aza mihoatra amin’izay tokony ho izy, hany ka lasa fahotana eo anatrehan’Andriamanitra. «Mihary harena izy, nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.» (and 6a). Tsarovy fa mandalo izao fiainana izao, izay lasa dia lasa tsy miverina intsony. Miantso antsika ny Tompo, miverena ao Aminy, aza variana amin-java-mandalo tsy maharitra tsy ahazoam-pamonjena, fa andeha hangataka miaraka amin’ny mpanao Salamo hoe: « Tompo ô, Hianao no antenaiko »
Fanontaniana:
Inona avy no mahavariana ny olona ka tsy hahazoany ny fiainana mandrakizay?
Sampana Sekoly Alahady Foibe