Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Janoary 2026

Sal 95.1-5 / Hira 6/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18

Mpitoriteny 11,1 - 8
1 Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. 2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo at? ambonin'ny tany. 3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany. 4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery] 5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. 6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. 7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; 8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Manana endrika ohabolana mifono anatra ny Soratra Masina anio, ka ireto no lesona horaisintsika avy amin’izany:

1- Mamaly ny soa ataon’ny olona Izy (and 1-3)

« Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela » (and. 1). Azo raisina ho fitaomana ny olona mba hahay manome sy ho malala-tànana izany. Ka ny fanomezana, na ny fanampiana ny hafa dia tokony hatao amin’ny fanahin’ny fahafoizana tanteraka, tahaka ny manipy mofo eny ambonin’ny rano. Mety tsy hivaly amintsika eo no ho eo ny soa atao amin’ny hafa, ary tsy voatery ho izay olona anaovantsika asa soa no hahavaly fitia antsika, fa ny Tompo no mamaly izany amin’ny fomba tsy takatry ny saina indray andro any. Ny finoana ny famonjena vitan’i Kristy dia mitarika antsika hazoto hiasa sy hampitombo ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ho fanasoavana ny mpiara-belona (and.2). Andriamanitra dia tsy manadino, ary manome valim-pitia ho an’izay manao soa (and.3)

2- Matokia Azy (and.4)

Ny Kristiana dia olon’ny finoana, ka na dia misy aza ny zavatra mampanahy sy mahatahotra dia miroso hatrany amin’ny fahatokiana. Fa « Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja » (and 4). Betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina momba ny asan’Andriamanitra sy ny fiahiany antsika olombelona sy ny zava-boary manotolo (and.5). Isika mamafy, fa Izy no mampitombo sy mahavanona izany ho tonga vokatra hojinjaina. Raha mino isika fa mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo, inona moa no tokony hampanahy antsika? Matokia Azy, ifalio sy isaory izay rehetra asehony isanandro (and. 7,8)

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona ho be fanahiana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe