Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Janoary 2026

Sal 138 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 19

Efesiana 3,20 - 21
20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, 21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

1- Mahay ny zavatra rehetra Izy (and.19)

Tsy neken’ny fisainan’ireo Jiosy mihitsy ny handraisana ny Jentilisa hitovy zo aminy sy hananany anjara amin’ny famonjen’ Andriamanitra. Isan’ny antony nanenjehana an’i Paoly ka nampidirana am-ponja azy ny fitoriany ny Filazantsara sy ny nandraisany ny Jentilisa. Tsy nampihemotra azy anefa izany fa vao mainka nahatonga azy hivavaka sy hampahery ny Kristiana. Nivavaka mafy izy (and. 14) sady mino fa mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra ny Tompo, ka hampahazava ny fon’ny olona mba hahatakarany ny tena fitiavan’i Kristy dia ny amin’ny hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. Ny Fanahy Masina no « hery miasa » hahaizantsika manao asa mihoatra noho izay takatry ny fahalalana ananantsika momba ny fikasan’Andriamanitra.

2- Mendrika homem-boninahitra Izy (and.20)

Miseho miharihary ny voninahitr’Andriamanitra rehefa manana firaisam-po ao amin’i Kristy Jesoa ny Fiangonana. Satria izay rehetra efa novonjen’ Andriamanitra no miombona ao, ka tsy misy intsony ny fifanavakavahana sy ny fifanilikilihana tahaka izay fahita amin’ny fikambanana sasany izay mbola tsy miaina ny fitiavan’i Kristy. Ny Fiangonana marina dia manaiky fa Kristy Jesoa no Loha, na Filoha faratampony, Izy no manome aina sy mandrindra ny asan’ny tena manontolo. Samy manana ny anjara asany ny mpikambana tsirairay ao aminy, ary samy mikely aina hahavita ny anjara fanompoany avy, mba hahatanteraka ny fikasan’ Andriamanitra, dia ny hahazoan’ny olona rehetra famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Mbola misy fanavakavahana ve ao amin’ny Fiangonana? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe