Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Janoary 2026

Sal 139.1-6 / Hira 482 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12

Salamo 111,1 - 10
1 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha] 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany. 10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Ireto no lesona ho antsika avy amin’izany:

1- Mendrika hoderaina Izy

Ity Salamo ity dia tononkalo voarindra sy voalamina mba ho fiderana sy hanehoana ny hatsaran’Ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Ny teny hoe: « Haleloia » dia midika hoe: « Miderà an’i Jehovah ». Taomina isika mba hidera Azy. Mihoatra noho izay fahatakaran’ny sain’olombelona ny fisainany. Izy no loharano nipoiran’ny zavatra rehetra, ary izany no andaharan’ny mpanao Salamo ny Anarany ho eo am-piandohana. Izy no manome saina ny olona hahatakatra ny hakanton’ny zavatra rehetra nohariany. Midera Azy noho izany ny mpanao Salamo, eo anatrehan’ireo olona nanodidina azy, izay antsoiny hoe « fivorian’ny marina », sy ny Israely izay antsoiny hoe fiangonan-dehibe (and.1).

2- Aoka hatahotra Azy isika

Manana ny tanjona kendreny Andriamanitra amin’izay asa rehetra notanterahiny, dia ny hampahafantatra ny olona ny toetra maha Izy Azy: ny fahatsarany, ny firindrana sy filaminan’ny zavatra rehetra nohariany, ny fahamarinany, ny famindrampony, ny tsy fivadihany amin’ny fanekeny; ny maha Andriamanitra Masina sy mahatahotra Azy, ary indrindra ny asam-pamonjeny. Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hananantsika fiainana mandrakizay. Fehezin’ny mpanao Salamo ny tononkira, amin’ny alalan’ny fitaomana ny olona hatahotra an’Andriamanitra ka hifikitra Aminy, fa izany no fiandoham-pahendrena (and.10).

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hiderana an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe