Mahay ny zavatra rehetra ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Janoary 2026
Sal 27.1-7 / HF 48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 53
Asan'ny Apostoly 9,1 - 9
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.Mahay ny zavatra rehetra ny Tompo
1- Miaro ny mpanompony Izy
Tsy mandeha ho azy akory ny asa fitoriana ny Filazantsara fa tsy maintsy misy hatrany ny sakantsakana izay miseho amin’ny endriny samihafa. Mafy ny fanenjehana ny nahazo ny Kristiana sy ny Apostoly tany Jerosalema sy ny manodidina taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. I Saoly dia lehilahy nafana fo tamin’ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana ary ny fanagadrana sy famonoana ireo Kristiana. Nananany ny fahefana, teo am-pelatanany ny hery rehetra satria nahazo taratasy fahazoan-dalana hanao izany izy (and.1-3). Amin’ny fotoan-tsarotra sy mahatahotra ny Kristiana toy izany indrindra no miditra an-tsehatra i Jesoa ka miaro ny mpanompony amin’ny fomba tsy takatry ny saina: « Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Mazava araka izany fa izay manenjika ny mpanompon’ Andriamanitra dia manenjika an’i Jesoa.
2- Na ny fahavalony aza, azony ampiasaina.
Voasakana teo ny fikasan’i Saoly rehefa nihaona tamin’i Jesoa. Tsy zakan’ny masony ny hazavana nanelatrelatra nanodidina azy ka lavo tamin’ny tany izy. Tonga jamba ny masony ka tsy afaka hanohy ny lalany intsony. Resy tanteraka izy, tsy afaka hifampitaha sy hifanandrina amin’ny hery ananan’i Jesoa ny hery sy ny fahefana teo am-pelatanany. Manomboka eto dia i Jesoa no manam-pahefana hanome baiko azy amin’izay asa hampanaovina azy: « …Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanana, dia holazaina aminao izay mety hataonao. » (and. 6). Rehefa mihaona amin’i Jesoa ny olona dia miova ny fisainany.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona sasany hanenjika sy hanaratsy ny mpitondra fivavahana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe