Lehilahy manantena an’Andriamanitra…
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Desambra 2025
Sal. 122 / Hira 225.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332
Lioka 2,25 - 32
25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.Lehilahy manantena an’Andriamanitra…
Ny amin’i Simeona no ambaran’ny Soratra Masina amintsika:
1- Lehilahy marina sady mpivavaka tsara…
Ny hoe: « marina » midika hoe « mahitsy », na « manao izay marina ». Nanana izany toe-panahy izany i Simeona. Izany fahamarinana izany dia tsy amin’ny fanarahana ara-bakiteny izay voalazan’ny Lalana fotsiny ihany, fa tena avy anatin’ny fo, mioriną amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahatokiana an’Andriamanitra. Tsy misy olona tanteraka amin’ny fahamarinana, raha tsy Andriamanitra no manamarina azy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Ary ny hoe: « mpivavaka tsara » día ilazana olona tsara fifandraisana amin’Andriamanitra. Raha tiantsika ny ho tahaka an’i Simeona dia tsy maintsy hanetry tena isika ka hangataka ny famelan-keloka amin’Andriamanitra, mba hananantsika firaisana amin’i Jesoa Kristy, izay làlana sy fahamarinana ary fiainana.
2- Lehilahy feno ny Fanahy Masina
Niandrandra fatratra ny fiavian’ny Mesia ho fampiononana azy ireo ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. Anisan’izay niavaka tamin’ny maro i Simeona, noho izy feno ny Fanahy Masina (and 25), ka nanana finoana sy faharetana. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana maha Kristiana ny asan’ny Fanahy Masina: Izy no mampahery ny mpanompony hanam-paharetana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ao amin’ny Tempoly: »Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan’ny tempoly izy » (and27); ny Fanahy Masina koa no mampihaona antsika amin’i Jesoa, Ilay Mesia, sy ahafahana mandray Azy ka hiderantsika an’Andriamanitra (and.28 sns)
Fanontaniana:
Inona avy ireo toe-panahy faka tahaka nananan’i Simeona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe