Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Febroary 2026
Sal 106:1-5 / Hira 164:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 164:2
Lioka 4,38 - 41
38 Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. 39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo. 40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. 41 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.Lehibe ny fitiavan’Andriaanitra
Azontsika takarina avy amin’izao anjara mofonainantsika izao fa tena mamonjy i Jesoa, ary hamonjeny antsika ny:
1. Ny Tenany (and 39)
<< dia nitsangana teo akaikiny Izy…>> hoy ny fitantarana. Niangavy an’i Jesoa hanasitranan ny rafozam-baviny i Petera, dia tsy nisalasala i Jesoa fa nandroso tao an-trano ary nanatona ilay marary. Hitantsika amin’izany, fa tsy mba manosi-bohon-tanana izay rehetra mila vonjy Aminy velively i Jesoa, fa ny Tenany mihitsy no manatona. Ary ny Tenany nanaiky am-panetren-tena ho tonga olombelona aza, dia mbola nanaiky ho faty ho famonjena koa!
2. Ny Teniny (and 39b)
«Dia noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany…». Eto kosa dia miharihary amintsika fa misy hery sy Fahefana ny Tenin’i Jesoa (Tenin’ Andriamanitra)! Tsy vao eto no ahitantsika izany, fa hatrany amin’ny fahariana! Minoa ny Tenin’i Jesoa, avelao hiteny amin’ny fiainanao i Jesoa! Mihainoa, dia minoa ny Tenin’Andriamanitra!
3. Ny Tanany (and 40)
«…Ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy…» hoy hatrany ny fitantarana! Mihasinkasina tsara mihitsy eto fa raha i Jesoa no miasa sy miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ny olona dia famonena hatrany no entiny, tsy mbola nisy teo amin’ny tantara, na ao amin’ny Soratra Masina izany, na koa ivelan’ny Soratra Masina ka hoe niditra an-tsehatra i Jesoa dia loza na fahafatesana nitranga! Mifanohitra amin’izany tanteraka! Fa moa tsy ny tanan’i Jesoa koa ve no nomeny hofantsihina tamin’ny hazofijaliana? Hitantsia teo ary fa na ny Tenan’i Jesoa, na ny Teniny na ny Tanany dia samy anehoan’i Jesoa no asa-pamonjeny sy ny fitiavany!
Fanontaniana:
Nahoana no mbola mitady mpamonjy hafa ihany ny olona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe