Jesoa no Mesia

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Mey 2023

MARKA 12.35-37

MARKA 12.35-37
35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida? 36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.

Jesoa no Mesia

1-Jesoa dia lehibe noho i Davida

Ny fanantenan’ny ankamaroan’ny Jiosy tamn’ny andron’i Jesoa dia ny amin’ny hiavian’ny mpanjaka lehibe anankiray izay hahafaka ny fireneny amin’ny fahambaniana ka hahatonga azy ho firenena lehibe indray . Mesia : Ilay voahosotra no iantsoana Azy, noho izy handray fiandrianana sy fahefana ambony .Ho mpanjaka mahery tahaka an’i Davida izy , ka izany no iantsoana azy hoe: « zanak’i Davida » satria avy amin’ny taranak’i Davida no hipoirany . Izany hoe : fanantenana politika no nibahana tao an-tsain’ny ankamaroan’ny Jiosy .Te- hanitsy ny fahadisoam-piheveran’ny Jiosy ny amin’ny Mesia Jesoa , ka izany no nanaovany ity fampianarana ity. Ny Soratra Masina izay nentin’i Jesoa nanorenana ny fampianarany dia ninoan’ny Jiosy fa nosoratan’ i Davida izay iantsoan’i Davida ny Mesia hoe : « Tompoko » (and36 / Sal 110.1) . Tsy mba fanaon’ny olona ,hoy izy ny miantso ny zanany ho tompony (and36)

2-Tsy amin’ny maha- taranaka ara-nofo no maha- Mesia Azy

Ny fanontaniana aterak’ity famîanaran’i Jesoa ity dia izao mety ve ny iantsoana an’i Jesoa hoe : « zanak’i Davida » . Ilay jamba mpangataka teo am-bavahadin’i Jeriko dia niantso Azy tamin’izany anarana izany .Paoly dia nimaza fa avy amin’ny taranak’i Davida araka ny nofo i Jesoa , nefa tsy miankina velively amin’izany ny voninahitry maha- Mesia Azy , fa noho Izy Tompo natsangana sy nasandratra (Rom 1.4 ).Tsy mba Mesia mpanjaka ara-politika Izy ,tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakany . Mesia izay tsy maintsy hijaly Izy ka ho faty , ary hitsangana amin’ny maty .Jesoa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana amin’ny maty . Jesoa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana sady nitsangana tamin’ny mafy . Izy no Mesia

Fanontaniana:

Inona no antenainao amin’i Jesoa Mesia?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mampandresy ny mpanompony Andriamani...

Alahady, 14 Mey 2023

Asongadin’ny mpanoratra eto ny fomba nentin’Andriamanitra nampandresy an’i Davida tamin’ny ady izay natrehiny Nandray anjara…

Miavaka ny olona feno ny Fanahy Masi...

Asabotsy, 13 Mey 2023

Miavaka ny olona feno ny Fanahy Masina 1 Mandresy ny sakantsakana rehetra Ny asan’ny Fanahy…

Mitandrema fa misy ny mpaminany sand...

Zoma, 12 Mey 2023

Mitandrema fa misy ny mpaminany sandoka 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa…