Jesoa Kristy mandrara ny fisaoram-bady
Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Oktobra 2023
Matio 5,32 - 32
32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.Jesoa Kristy mandrara ny fisaoram-bady
1- Manome fomba fijery vaovao
2- Mandà fijangajangana
«Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy…» (and.32). Eto i Jesoa Kristy tsy milaza fa ny fijangajangana dia ataony ampy hiteraka fisaraham-panambadiana, fa milaza fotsiny Izy fa izay misaotra ny vadiny dia « mampijangajanga azy ». Noho izany, amin’i Jesoa Kristy dia mitarika sy manome vahana ny fijangajangana ny fisaram-panambadiana. Koa aoka tsy ho amin’ny fisaoram-bady ny fisainana. Antony iray ahafahana miaro ny vady tsy ho amin’ny fijangajangana ny tsy fisaoram-bady. Mampitombo ny fakampanahy mitarika ho amin’ny fironana hijangajanga ny fisaram-panambadiana. Raha misy misao-bady dia hanambady indray izy. Amin’izay, na ilay mampakatra na ilay ampiakarina dia samy mijangajanga avokoa. Izany no lavin’i Jesoa Kristy eto.
Fanontaniana
Inona no paikady hisorohana ny fisaraham-panambadiana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE F.J.K.M.