Jesoa Kristy manao ny asan’ny Ray
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Oktobra 2025
Sal. 81. 1-3 / Hira 201.1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 1
Jaona 4,31 - 38
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby Ă´. 32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? 34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. 35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. 36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, 38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
Jaona 4.31-38
Jesoa Kristy manao ny asan’ny Ray
1- Mifandray Aminy
« Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.» (And.34)
Tenin’i Jesoa Kristy izany. Inona no hevitr’izany teny izany? Rehefa miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny fitiavana, amin’ny fifaliana, ary amin’ny heriny dia voky ny vatany sy ny fanahiny. Izany hoe manana fiombonana tsy tapaka amin’Andriamanitra Ray, izay loharanon’ny fiainana. Mba hahavitana ny asan’ Andriamanitra Ray amin’ny fotoana dia manantanteraka ny sitrapon’ny Ray. Fianarana ho an’ny Kristiana izany. Tokony hanana fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra Ray ny mpino, ka manao ny asany amin’ny fifaliana sy fitiavana. Dia hahazo hery sy fiainana izy.
2- Mitarika ny handova ny fiainana mandrakizay
« Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay… » (And. 36).
Sarin-teny momba ny fijinjana no entin’i Jesoa Kristy entina milaza ny vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’ny lasa sy ankehitriny ary ny ho avy. Rehefa ho avy amin’ny voninahitra i Jesoa Kristy dia hahita ny vokatry ny fisasarany, dia ny finoan’ireo izay nitoriany ny filazantsara. Olona samihafa no nitory filazantsara tamin’ny karazan’olona samihafa, araka ny fotoana na vanim-potoana nifandimby; fa i Jesoa no nampiorina ny finoan’ireo olona ireo, ka nahatonga azy ireo handova ny fiainana mandrakizay. Izany no fifalian’ny mpitory filazantsara amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no hojinjainao amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe