Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Janoary 2026

Sal. 24.1-10 / Hira 23 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 21

Genesisy 2,4 - 9
4 [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona.

1- Noforonina mba hanam-pifandraisana Aminy isika.

Ny fampiasana miaraka ny anarana hoe: « Jehovah Andriamanitra » dia anehoana an’Andriamanitra ho Ilay Mpahary mahery indrindra sy ny fifandraisany amin’ny zanak’olombelona. Tsy mba tahaka ny zava-boary rehetra ny fomba namoronan’ Andriamanitra ny olombelona, fa nataony tamin’ny fomba manokana: nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga olombelona izy (and.7). Midika izany fa Izy no loharanon’ny fiainan’ny olombelona, ary an’Andriamanitra ny aina. Rehefa miala ny fofonaina, dia miverina ho vovoka izy. Azo adika hoe « fanahy » ihany koa io fofonaina io, dia ilay fanahin’Andriamanitra izay mampiavaka azy amin’ny zava-manan’aina hafa sy ananana fifandraisana velona amin’Ilay Mpahary azy.

2- Notiaviny manokana ny olombelona

Toerana mahafinaritra sy azo ivelomana, ahafahana mianatra sy mitombo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny zava-boary no nametrahana ny olombelona. Ny hazon’aina teo afovoan’ny saha dia maneho ny fanatrehan’Andriamanitra azy isanandro, ary ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy kosa dia maneho sy mampitandrina azy noho ny fisian’ilay Ratsy, dia ny devoly izay mety hamitaka azy ka hialany amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Fitiavan’Andriamanitra no amelana ny olona hisafidy an-kalalahana hankato ny Teniny na tsia. Tsy miova ny fitiavany, ka na dia tsy nankato ny Teniny aza ny olombelona dia navotany indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Izay rehetra mino Azy dia hiaina am-pahasambarana indray ao amin’ilay Edena vaovao, ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaninana:

Inona no antony handavan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe