Izay tokony ataon’ny mpino

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Febroary 2026

Sal 66.1-4 / Hira 543:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 44: 4

Mpitoriteny 3,9 - 14
9 Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany? 10 Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany. 11 Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay* dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao] 12 Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara*, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa] 13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany. 14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.

Izay tokony ataon’ny mpino

Anankiray amin’ireo horonam-boky dimy famakin’ny Jiosy amin’ny fetim-piangonana Lehibe ny bokin’ny Mpitoriteny (Tononkira, Rota, Fitomaniana, Estera). Anisan’ireo soratra manolotra fahendrena ihany koa izy tahaka ny Joba sy ny Ohabolana. Ny mofonainantsika anio dia elanelanin’ny filazana fa zava-poana ny zavatra rehetra (and 1-8), ary hiafara amin’ny fahafatesana ihany koa ny rehetra (and 16-22) koa ny hafatra ampitain’ny anjara mofonaina ary dia izay tokony ataon’ny olona. Inona ary no mahatsara ny olona?

1. Mahay mankasitraka an’Andriamanitra (and 9-11)

«…kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra» hoy Mpitoriteny eto! Ambarany mazava anefa fa ny asa rehetra isahiranan’ny olona dia avy amin’Andriamanitra avokoa; tsy noho ny herin’ny olona na ny tanjaky ny olona tsy akory fa fanomezana avy amin’Andriamanitra daholo (and 13). Koa ny fanontaniana dia ity: mba efa nisaotra an’ Andriamanitra noho izany fanomezany izany ve ny ianao?

2. Mifaly sy manao ny tsara (and 12)

«Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy » hoy ihany ny Soratra Masina. Ny mifaly dia entina milaza fahaiza-mankasitraka ary ny tsara koa dia entina manondro izay mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra!

3. Matahotra an’ Andriamanitra (and 14b)

«…ataon Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy». Mazava tsara eto fa Andriamanitra mihitsy aza no efa manao izay hahatonga ny olona hatahotra Azy, fa tsy hoe ezaka be ataon’ny olona. Koa matoa ny olona tsy matahotra an’ Andriamanitra araka izany, dia efa nisafidy ny tsy hiraharaha Azy mihitsy!

Fanontaniana:

Hatraiza ny fatahoranao an’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mitari-dalana ny Soratra Masina

Alarobia, 4 Febroary 2026

Mitari-dalana ny Soratra Masina Ny mofonainantsika anio dia manampy antsika hahatakatra fa ny fitoriana ny…

Miteny sy manafatra mandrakariva ny ...

Talata, 3 Febroary 2026

Miteny sy manafatra mandrakariva ny Soratra Masina Hafatra telo mazava no omen’ny Tompo antsika anio…

Ny Toetra takiana amintsika Kristian...

Alatsinainy, 2 Febroary 2026

Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i…