Izay matoky hatramin’ny fahafatesana

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Aogositra 2020

Lioka 16:9-13

Lioka 16:9-13
9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. 10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

Izay matoky hatramin’ny fahafatesana

1 – Matoky amin’ny kely indrindra

« Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky amin’ny be » (and. 10). Manomboka amin’ny fitantanana ara-drariny sy am-pahamarinana ny harena azo eto amin’izao tontolo izao no itarafana na mendrika omena andraikitra eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olona iray na tsia. Manomboka amin’ireo ohatra bitika indrindra izany ka izay tsy voafandrika amin’ny zava-madinika no azo anankinana andraikitra lehibe amin’ny fiahiana ny ondrin’ Kristy. Indrisy fa tsy vitsy ireo mora voafandrika na dia amin’ny zava-madinika aza. Ny an’i Esao dia mofo sy voanemba masaka no nivarotany ny fizokiany (Gen. 25:29-34). Aza manahaka an’i Esao ianao.

2 – Tsy manompo tompo roa

Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna hianareo (and. 13). Matetika dia misy zavatra hafa izay efa mibahan-toerana ao am-pon’ny olona, fa tsy fantany. Izay rehetra ataontsika ho mitovy laharana amin’ny Tompo na sanatria tiantsika sy hajaintsika mihoatra noho ny fitiavantsika Azy, dia efa sampy sahady. Hoy Jesoa : “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Mat. 4:10). Tsy manakana ny fihariana sy ny fitadiavana vola sy harena ny Tompo, saingy tsy sitrany ny fihoarana amin’ny antonony.

Tonga sampy izany raha katsahina mihoatra ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Ahoana no ampiharana eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatokiana amin’ny kely indrindra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY...

Asabotsy, 1 Aogositra 2020

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY  MINO  1-Mibaiko ny  olony  ny Tompo Ny  tantaran’i Jesoa  fony  Izy…