izay manam-pinoana dia manana andraikitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Oktobra 2020

MARKA 7.31-37

MARKA 7.31-37
31 Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia. 32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. 33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; 34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. 35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. 36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. 37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.

izay manam-pinoana dia manana andraikitra

1- Hitondra ny voageja ho eo amin’iJesoa (and31,32)

Fantantsika eto araka ny voasoratra eto fa tsy ity lehilahy ity no tonga ho azy teo amin’i Jesoa fa nentin’olona izy . Maneho amintsika izany fa manam-pinoana ireo olona nitondra azy ireo fa hain’iJesoa ny manasitrana azy . Porofon’izany finoana izany , tsy nentiny teo fotsiny fa nangatahany na niangaviany mihitsy i Jesoa mba hametra-tànana aminy . Ianao ve manam-pinoana ? Aza jerem-potsiny àry ny olona voageja fa ento izy hanatona an’iJesoa , mba hihaino Azy sy hahay hiresaka Aminy koa.

2-Hamela an’i Jesoa hikarakara azy (and 33-35)

Rehefa nentin’ireo olona ireo teo amin’iJesoa ilay lehilahy dia navelany i Jesoa hikarakara azy araka ny fombany sy ny fotoanany . Hitantsika teo fa hametra-tànana no nangatahan’ny olona nefa nentin’i Jesoa niala teo ilay lehilahy ary noharoniny ny sofiny . Tsy mahita mihitsy isika eto hoe : nitsikera na niady hevitra tamin’ny fomba nandraisan’iJesoa ilay marary ny olona na dia izy ireo aza no nitondra azy teo . Isika koa , ento eo amin’i Jesoa ny olona fa Izy mahalala ny fomba hikarakarany azy . Tsy anjarantsika ny mibaiko an’iJesoa na mitsikera Azy , indrindra raha tsy araka izay noheverintsika na nandrasantsika no handraisany an-tànana azy .

3-Hilaza ny fahatsaran’iJesoa ( and 36,37)

Hita eto koa fa ny olona nanatri-maso , na dia noraran’iJesoa tsy hiteny aza dia tsy nahay nangina . Azo antoka fa teo koa ireo olona nitondra ny marary teo amin’iJesoa , ka tsy tana fa nitory ny fahatsaran’iJesoa koa dia i Jesoa izay nanokatra ny sofiny handre ny Teniny ary nanokatra ny vava hahay hidera sy hitory Azy .

Fanontaniana :

Firy ny olona voageja fantatrao , ary firy amin’ireny no efa nentinao teo amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Finoana manao ahoana re no azonao  h...

Zoma, 23 Oktobra 2020

Mifampitohy  amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema  ity  perikopa anio  ity . Ny  vahoaka…

Ny olona mandroso amin’ny finoana

Zoma, 9 Oktobra 2020

Ny olona mandroso amin’ny finoana 1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina « …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely…

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…