Izahao toetra ny fanahy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Desambra 2020

1 JAONA 1 4.1-3

1 JAONA 1 4.1-3
4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]

Izahao toetra ny fanahy

1-Misy ny fanahy mamitaka

Mampahafantatra antsika ny Soratra Masina fa tsy fanahy iray ihany no miasa eto amin’izao tontolo izao . Manao izay fara-heriny i satana mba hampiroa saina ny mpino ka hialany amin’ Andriamanitra . Mampiasa olona izy amin’izany ho fitaovana hamitahana ireo zanak’Andriamanitra mpanara-dia an’iKristy . Amin’ny maha- fanahy mamitaka azy dia tsy miseho amin’ny tena endriny izy . Mampitandrina antsika izany mba tsy hinohino foana fa ho mailo mandrakariva : « Aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy , na avy amin’ Andriamanitra ireny , na tsia satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao  » (and1). Mety hiovaova endrika sy fomba fiasa izy ireny , arakaraka ny vanimpotoana iainana , fa ny tanjona tratrariny dia tokana ihany , ny hamitaka ny mpino an’i Jesoa Kristy .

2-Misy ny Fanahy avy amin’ Andriamanitra

« Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy na avy amin’ Andriamanitra  » . Ambaran’ny Testamenta vaovao mazava tsara izay nokendren’Andriamanitra tamin’ny nahatongavan’i Kristy ho nofo sy ny soa azontsika avy amin’izany , Ilay Andriamanitra Fanahy , tsy manam-batana dia tonga nofo tao amin’i Jesoa . Ilay Andriamanitra mandrakizay dia tonga olona nateraka sady maty tahaka ny olona rehetra . Ilay avo indrindra nambaran’ny Testamenta Taloha dia nanetry tena ka naka ny endriky ny mpanompo . Ao amin’i Jesoa Kristy dia tonga tafaray amin’ Andriamanitra isika olombelona . Zava-miafina amintsika olombelona izany , kanefa tsy maintsy raisintsika amin’ny alalan’ny finoana ny fahamarinany .

Fanontaniana :

Ifampizarana : Milaza inona aminao ny teny hoe : « antikristy »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…

Ny iraka mpitondra famonjena

Zoma, 6 Novambra 2020

Ny iraka mpitondra famonjena 1-Tsy mandeha araka ny saina Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny…