Ireo zavatra hitranga mialohan’ny fiavian’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Desambra 2025

Sal 136. 1-5 / Hira 14/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 486

Apokalypsy 22,17 - 21
17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. 18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; 19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. 20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo! 21 Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy* Tompo. Amena. [* Na: (Jesosy Kristy)]

Sabotsy, faha 06 Desambra 2025

Sal 136. 1-5 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 486

Apokalypsy 22. 17-21

Ireo zavatra hitranga mialohan’ny fiavian’i Jesoa Kristy

1-Hanjaka ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jeson Kristy

Na eo aza ny fahoriana mafy izay niainan’ny Kristiana tamin’izany fotoana izany, dia manome toky kosa ny faminanian’i Jaona fa amin’ny fotoana hiavian’i Kristy dia hanjaka ny fitoriana ny Filazantsaran’ny famonjena. Hoy ny and 17 manao hoe: « Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe Avia, ary aoka izay mahare hanao hoe avia, ary aoka ho avy faingana izay mangetaheta, ary izay mety aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina« . Na eo aza ny fampahorian’i satana dia hisy ny fotoana ahafahana miantso ny rehetra mba handray ny famonjena maimaim-poana, noho ny famindrapon’ Andriamanitra. Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana (ampakarina) no hanao izany antso avo izany.

2-Haringana izay mikitikitika ny tenin’Andriamanitra

Ny and 18 no ampitandreman’i Jaona fa ny voalaza rehetra ao amin’ny boky dia mila tandremana avokoa, fa tsy misy azo analana na anampiana. Tsy azo sivantsivanina ny Tenin’ Andriamanitra, na ampiana amin’izay heverin’ny olona fa tokony hanampiana azy. Feno sy ampy ahazoana antoka ho amin’ny famonjena ny fitandremana izay voarakitra ao.

Ny mitandrina izay voasoratra sy voalaza ao no anjaran’ny olona, fa tsy ny hitsara ny Teny faminanina. Ny fikitikitihana izany dia endrika tsy fanomezana lanja ny Tenin’Andriamanitra ka mety hitondra fahafatesana, toy izay nahazo an’i Adama sy Eva.

Fanontaniana:

Inona no ataonao ho fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe