Ireo toetra mampiavaka an’i Kristy , Ilay Mesia

Mofonaina anio: Talata, faha 22 Desambra 2020

HEBREO 1.8-12

HEBREO 1.8-12
8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). 10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).

Ireo toetra mampiavaka an’i Kristy , Ilay Mesia

Manome fanazavana misimisy kokoa ny amin’izany ny Epistily ho an’ny Hebreo

1-Mpanjaka Izy (and8a)

Ny filazana Azy ho manana seza fiandrianana sy tehim-panjakana eny an-tànany no manambara ny maha-Mpanjaka Azy . Ny fanekena an’i Kristy ho Mpanjaka eo amin’ny Fiangonana no antoka ahafahany manefa an-tsakany sy andavany ny adidiny amin’ izao tontolo izao . Ny fanadinoana ny maha-Mpanjakan’izao rehetra izao Azy dia mahatonga ny mpino hanataotao foana .

2-Tia fahamarinana Izy (and 8b)

Maro ny mpanjaka manao fitondrana ratsy amin’ny vahoaka entiny , Ilay Mesia ambaran’ny Soratra Masina amintsika kosa dia tia fahamarinana : « Araka ny hitsiny no itondranao ny fanjakanao … Tia rariny Ianao , fa halanao kosa ny ratsy » (DIEM) . Ny fanekena an’i Jesoa ho Mesia no antoky ny fampanjakana ny fahamarinana , ary izany no manandratra ny firenena hisian’ny fiadanana sy fandriampahalema maharitra .

3-Mandrakizay Izy (and 10-12)

Talohan’izao rehetra izao Izy , ary Izy no nanao azy . Tsy misy zavatra tongatonga ho azy na nahary tena teto amin’ny izao tontolo izao fa nisy ny mpanao . Ary ny mpanao dia tsy maintsy efa ela niainana nohon’ny natao . Kristy no Mpanao ny zavatra rehetra . Manana ny fiandohany sy ny fiafarany avokoa izao zavatra ary rehetra izao , fa Kristy Ilay Mesia kosa dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-piovana . Eo imason’ Andriamanitra dia oharin’ny mpanoratra amin’ny lamba fitafiana izao rehetra izao : ho rovitra izy , ho levona izy , ary havalona izy . Fa Izy kosa dia mandrakizay .

Fanontaniana :

Mbola manjaka amin’ny olona ny tsy fahamarinana . Nahoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…

Ny iraka mpitondra famonjena

Zoma, 6 Novambra 2020

Ny iraka mpitondra famonjena 1-Tsy mandeha araka ny saina Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny…