Ireo asa nataon’Andriamanitra izay tokony hiderana Azy:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Desambra 2025

Sal 147.1-11/ HF 13 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 64.1,2

Salamo 147,1 - 11
1 [Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. 2 Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. 3 Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. 4 Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny. 5 Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. 6 Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany. 7 Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga, 8 Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, 9 Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina. 10 Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. 11 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.

Ireo asa nataon’Andriamanitra izay tokony hiderana Azy:

Mendrika hoderaina ny Tompontsika noho ireto antony ireto:

1- Mpamonjy sy mpanavotra Izy (and.2-6)

Raha mbola tany am-pahababoana ny Israely dia niaina tamin’ny fahakiviana sy fisaonana ary alahelo. Mafy tamin’izy ireo ny fahitana ny faharavana nanjo an’i Jerosalema, teo koa ny tsy maintsy nialany tamin’ny taniny. Navotan’Andriamanitra tao anatin’izany fahavoazana lehibe izany ìzy ireo ka nampodiany ho amin’ny taniny indray, rehefa nahatsiaro hiverina Aminy, ary nositraniny ny ratram-po rehetra (and.3). Miaiky ny mpanao Salamo fa tsy misy fetra ny fahalalana sy ny herin’Andriamanitra, ka na ny kintana eny amin’ny lanitra aza dia voaisany sy fantany avokoa (and.4,5). Manome toky Andriamanitra fa izay rehetra miaritra fahoriana ka miandrandra am-panetren-tena ny herin’Andriamanitra mba hanafaka azy dia hahazo fandresena.

2- Mpiahy sy mpamelona Izy (and.7-11)

Azo atao tsara ny mampiasa zava-maneno voatokana hiderana Azy, toy ny lokanga, sns (and 7). Deraina izy satria Izy no miahy sy mikarakara izay rehetra efa novonjeny; Izy no manaron-drahona ny lanitra ka mandatsaka ny ranon’orana mba hamelombelona ny zavaboariny, na ny olombelona, na ny biby (and.8-9). Tsy tokony hiantehitra amin’ny herin’ny soavaly, na ny fahaizana sy ny hakingàna ananany olona. Satria tsy mahavonjy azy izany. « Tsy ny herin’ny soavaly no mahafinaritra Azy, ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. » (and. 10). Mijery ny ao anatin’ny fontsika Izy ka mankasitraka izay rehetra manaja Azy sy matoky ny fitiavany.

Fanontaniana:

Inona avy ny karazan-javamaneno mety hiderana an’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe