Inona no mahatonga ny olona sarotra taomina hiverina amin’Andriamanitra?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Febroary 2022

ISAIA 55.6-11

ISAIA 55.6-11
6 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. 7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka] 11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Inona no mahatonga ny olona sarotra taomina hiverina amin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mandehana araka ny mazava

Alakamisy, 6 Janoary 2022

Mandehana araka ny mazava Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino…

Mitondra inona ho anao ny mandre n...

Alarobia, 16 Febroary 2022

Mitondra inona ho anao ny mandre ny Tenin’Andriamanitra ? Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Efa  akaiky ny fverenan’ i Jesoa

Talata, 15 Febroary 2022

Efa  akaiky ny fverenan’ i Jesoa 1.Satria  efa miseho ireo famantarana nambarany Hoy I Jesoa…