I Kristy no mpisolo vava

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Aprily 2021

1 JAONA 2.1-2

1 JAONA 2.1-2
1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16] 2 ary Izy no avotra* noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]

I Kristy no mpisolo vava

Ny mpino resy lahatra dia mieritreritra mandrakariva izay hialana amin’ny fahotana . Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy . Tsy tanteraka anefa ny mpino fa mbola mahatsiaro fa mpanota . I Jaona dia manome toky fa manana mpisolovava isika dia :

1-Jesoa Kristy Ilay marina

I Jaona dia mampiasa ireo anarana entin’i Jesoa mba hisoloana vava ny mpino . Ny hoe : « Jesoa » dia mampahatsiahy fa olombelona ka afaka miombom-po amintsika . Ny hoe : « Kristy » kosa dia Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra hiaro ny mpanota , ary « Ilay Marina » dia midika fa tsy mila mpisolovava isika , fa Izy no afaka hisolo tena ny hafa . Jesoa Kristy , Ilay Marina no mampiorina ny mino mba hananany faharetana ao amin’Andriamanitra . Aoka hiorina ao amin’i Jesoa Kristy ianao , fa Izy no Ilay « Marina » hisolo vava anao .

2-Izy no Avotra noho ny fahotantsika

Nahatran’i Jesoa tamin’ny tenany amin’ny maha- Avotra Azy ny famaizana vokatry ny fahotantsika. Ny hoe : « avotra » dia fanatitra fampitoniam-pahatezerana , satria tezitra amintsika Andriamanitra . Jesoa no nisolo voina antsika mba hampitony izany fahatezeran’Andriamanitra izany . Manafaka ny fahotantsika Izy . Jesoa no Avotra ho an’izao tontolo izao (and2) . Omena ho an’ny mino ny famelankeloka , sady raisin’ireo izay miverina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana . Izy no avotra noho ny fahotantsika . Miorena mafy amin’ny finoana , fa isika dia navotan’i Kristy tamin’ny Rany soa , ary Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray .

Fanontaniana :

Tsaroanao ve ny fanavotan’i Kristy teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mba mitoetra maharitra amin’ny fitia...

Alarobia, 28 Aprily 2021

Mba hiorenana amin’ny fanavotan’i Kristy sy hahazoana miaro ny finoana masina dia tsara ny :…

Jehovah manorina indray

Alakamisy, 15 Aprily 2021

Jehovah manorina indray 1-Manorina izay efa rava Avahan’Andriamanitra ny olony ary hanehoany ny heriny sy…

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mi...

Alakamisy, 25 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…