I Jesoa tompon’ny fahefana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Janoary 2026

Sal 9. 1-6 / Hira 7: 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Hira 639:1

Jaona 6,16 - 21
16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany. 17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy. 18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra. 19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra] 20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra. 21 Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.

I Jesoa tompon’ny fahefana

1- Manao zava-mahagaga

Tsy ara-boajanahary amin’ny olona izany mandeha ambony rano izany anefa tsy milentika. Teto dia nataon’i Jesoa izany hanehoany ny fahefana maha Andriamanitra mifehy sy mahefa ny zavatra rehetra Azy. Jesoa irery ihany no manana fahefana mandeha ambony rano toy izany, izay zava-mahagaga sy nampahatahotra ny mpianatra tokoa. Tsisy zava-mahagaga tsy hain’ny Tompo tokoa.

2- Amin’ny fotoana

Tonga amin’ny fotoana nilana Azy tokoa i Jesoa, satria teo amin’ny fotoana nanjakan’ny aizina sy ny rivotra nifofofofo mafy izay nampahatahotra ny mpianatra no tonga i Jesoa. Tsy mba tara amin’izay fotoana iandrasana sy ilàna Azy tokoa ny Tompo satria Izy no tompon’ny fotoana sy manam-pahefana amin’izany. Na ny fampiasan’izao tontolo izao ny kalandrie miainga amin’ny taona nahaterahany ihany aza dia ahafahana milaza fa Izy no tompon’ny fahefana amin’ny fotoana.

3-Amin’ny elanelan-tany

Tsy hitan’ny mpianatra ny fotoana sy ny toerana niaingan’i Jesoa, kanefa teo amin’ny fotoana sy toerana nilana Azy dia niseho teny an-dranomasina Izy. Ary raha te handray Azy ho eo an-tsambokely izy ireo dia tonga teny amin’ny tany niaraka tamin’izay ny sambokely. Tsy manan-kery amin’ny fahefan’i Jesoa ny elanelan-tany. Izany no maha marina amin’ny toerana rehetra Azy.

Fanontaniana:

Mino izany fahefan’i Jesoa izany ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra mifidy ny mpanompony

Alarobia, 28 Janoary 2026

Andriamanitra mifidy ny mpanompony 1- Manome andraikitra mazava azy Nofidin’ Andriamanitra i Josoa mba handimby…

Ny fanasitranan’i Jesoa

Talata, 27 Janoary 2026

Ny fanasitranan’i Jesoa 1- Ho an’izay manantona Azy Tsy nisalasala tokoa ity lehilahy boka ity,…

Ny tena mpanompon’ Andriamanitra

Alatsinainy, 26 Janoary 2026

Ny tena mpanompon’ Andriamanitra 1- Mahay mifampitsinjo sy mifanampy Ny Fiangonana tao Filipy dia nijoro…