Ho avy tampoka ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Novambra 2025

Sal 133,1-4 / Hira 9:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

Lioka 12,41 - 48
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra? 42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana? 43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. 44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, 46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy] 47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be. 48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.

Sal 133,1-4 / Hira 9:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

Resaka nataon’i Jesoa sy ny mpianany rehefa nahavita fanoharana Izy: miezaka manakatra izay tian’ny Tompo ambara i Petera. Ho avy tampoka ny Tompo:

Hiverina ny Tompo, hijery izay nataon’ny tsirairay ka hanadina izay nankinina taminy avy. Rehefa hiverina ny Tompo dia hanolotra izay sahaza, araka ny nametrahana andraikitra sy fanompoana. Te hizara ny soa avy any Aminy ny Tompo fa mba tanteraho kosa izay nankininy tamintsika. Ho sambatra mihoatra izay andrasantsika isika raha samy mahefa izay andraikiny avy. Kanefa ihany koa tsy ho mpanompo mila sitraka lava fa mpanompo manome voninahitra Ilay Tompo. Koa aoka ho mpanompo mahatoky miasa ara-potoana, tsy hanana henamaso amin’ny olona fa hanana tahotra an’Andriamanitra.

Raha amin’ny fijery tsotra, toa mahalasa saina ihany ny fomba famalin’i Jesoa an’i Petera. Fa isika izay efa mahalala izay tokony hataontsika vokatry ny fahalalantsika ny sitrapon Andriamanitra, kanefa tsy manefa izany dia hadinina mihoatra noho ny tsy mahalala. Ny fahalalantsika ny sitrapon’ny Tompo dia handrefesana izay havaliny antsika, fa mihoatra lavitra noho ny an’ny tsy mahalala ny valin’ny natao. Hevero åry ny hibanjina ny mety ka tsy hanao hatsirambina izay manandrify fa ny fiverenan’ny Tompo dia hamaliany araka izay nataon’ny tsirairay. Noho izany, sahia mametra-panontaniana tahaka an’i Petera rehefa miteny amintsika ny Tompo amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Koa amin’ny fiverenany tampoka no hanadinana antsika satria mamaly ny olona araka ny ataony avy ny Tompo.

Raha avy tampoka ny Tompo, vitanao ara-dalana ve ny asany?