Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Novambra 2025
Sal 104. 24-30 / Hira 39: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18:3
Apokalypsy 3,7 - 13
7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandĂ ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanĂ nan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Sal 104. 24-30 / Hira 39: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18:3
Apokalypsy 3.7-13
Zava-dehibe telo no tian’i Jesoa ho takarintsika raha milaza Izy hoe: «Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. » (Apokalypsy 3:11), Inona avy Ă ry izany?
1. Ho avy i Jesoa (and 3a)
Ny teny hoe « ho avy » dia mampihasinkasina fa tsy tantara foronina na sanatria angano angano tsy akory ny fiavian’i Jesoa fa zavatra azo antoka, ary tsy azo hihodivirana mihitsy. Ary ny teny hoe faingana kosa dia manana hevitra hoe amin’ny fotoana tsy ho ela kanefa tsy voafaritra; raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe fotoana tampoka tsy misy mahalala na iza na iza! Noho izany, dia taomina isika ho vonona hitsena an’i Jesoa amin’ny fotoana rehetra! Izany fahavononana izany ilay lazain’i Jesoa hoe: Miambena (Mar 13.35)
2. Tano ny finoana (and 3b)
Eo anoloan’izany fiavian’i Jesoa, tsy azo hihodivirana izany, dia torohevitra no omeny: tano mafy izay anananao! Dikan’izany dia hoe amin’ny herinao rehetra, amin’izay azonao atao rehetra, dia aza avela hozongozonina ny finoana (anananao) sy ny fatokianao an’i Jesoa! Aza alaim-panahy ho mora kivy fa tsy misy miafina amin’i Jesoa ny fiaretanao ary tsy mitazam-potsiny anao Izy fa vonon-kiaro anao mba tsy ho resin’ny fakam-panahy (and 10)!
3. Hazony ny satroboninahitra (and 3d)
Ny satroboninahitra lazaina eto dia tsy inona akory fa ny fiainana mandrakizay, hisitrahan’ny mino an’i Jesoa, raha avy ny fotoana hiverenany indray (Jao 14. 1ss). Ny takiana amin’ny mino hihazonana io satroboninahitra io dia ny faharetany amin’ny finoana sy fanarahan-dia ny Tompo na dia fantatra aza fa ho sarotra sy mafy izany!
Fanontaniana:
Ahoana no ahazoanao antoka fa misy satroboninahitra ho anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe