« …hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika , dia i Jesoa » .

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Desambra 2020

HEBREO 3.1-6

HEBREO 3.1-6
1 [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, 2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7] 3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. 4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. 5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; 6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.

« …hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika , dia i Jesoa » .

1-Jesoa dia atao hoe : Apostoly

Ataon’ny mpanoratra ny Epistily hoe : Apostoly i Jesoa satria Izy no nirahin’ Andriamanitra hitondra ny vaovao mahafaly momba ny famonjena ny olombelona rehetra , solotenan’Andriamanitra ho antsika Izy . Tsy Apostoly tsotra fotsiny anefa Izy fa mihoatra noho izany satria Izy no Vaovao mahafaly ho an’ny olona . Izy no famonjena ny olombelona ho afaka amin’ny fahotany .

2-Jesoa dia mpisoronabe

Ny mpisoronabe teo amin’ny Jiosy no afaka miditra


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…

Ny iraka mpitondra famonjena

Zoma, 6 Novambra 2020

Ny iraka mpitondra famonjena 1-Tsy mandeha araka ny saina Efa masaka tao an-tsain’i Paoly ny…