Halan’i Jesoa ny :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Janoary 2020

LIOKA 19.45-48

LIOKA 19.45-48
45 Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra 46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11). 47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy; 48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.

Halan’i Jesoa ny :

1- Ny halatra (and45)

Tamin’ny andron’i Jesoa dia nisy mpanakalo vola tokoa teo an-kianjan’ny tempoly , satria rehefa hanao fanatitra ny olona avy any amin’ny toerana na firenena samihafa dia tsy maintsy atakalo vola Jiosy fa izany ihany no azo ampiasaina ao aminn’y tempoly .Toy izany koa ny varotra ny voromailala na ondry efa ao , satria tsy nahavimbina ny avy lavitra. Ireo zava-misy reo anefa dia noararaotin’ny olona sasany nampakarana avo mihoatra noho izany tokony ho izy na ny fanakalozam-bola na ny vidin’ny biby fanao fanatitra. Koa izany halatra ao an-tranon’ Andriamanitra izany dia halan’i Jesoa , ka nandroahany ny mpivarotra teo .

2-Ny fanilikilihana (and45)

Ny kianjan’ny tempoly dia misy firafitra mazava ary efa misy toerana ho an’ny sokajin’olona samihafa. Misy ohatra ny atao hoe : kianjan’ny jentilisa , izany hoe: ny hafa firenena.Teo amin’ity kianjan’ny jentilisa ity no navadiky ny sasany ho toeram-pivarotana , hitadiavana tombotsoa sy hanararaotana ny hafa, fa indrindra indrindra natao teo an-kianjan’ny tempoly .Tsy ankasitrahan’i Jesoa ny endrika fanilikilihana na fanakanana ny olona tsy hanatona an’ Andriamanitra amin’ny endriny rehetra.

Fanontaniana:

Inona avy no endrika mety isehoan’ny halatra na fanilikilihana ao amin’ny fiangonana , ary inona no tokony hatao hanafoanana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alakamisy, 2 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ASAN’NY  APOSTOLY 9.1-9 1-Jesoa Kristy miandany  amin’ny mpanompony Sarotiny  tamin’ny…