Fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy faminaniana

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Desambra 2025

Sal. 73, 1-71 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 823

1 Korintiana 14,20 - 22
20 Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa. 21 Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12). 22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.

Ampitahain’i Paoly eto ireto fanomezam-pahasoavana roa ireto :

1. Ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra

Anisan’ireo fanomezam-pahasoavana izay nomen-danja teo amin’ny Fiangonana tao Korinto ny « fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra. » (1Kor.12, 10) Izay lazainy eto dia fiteny tsy azon’ny olona na iza na iza raha tsy misy mpandika teny (jereo ny and.2) . Ny fiteny tsy fantatra dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, vokatry ny fahatsapana fifaliana miboiboika ao amin’ny fanahy tsy takatry ny saina, ka mahatonga ilay olona hiboretika sy manao fiteny tsy azon’ny olona. Nisy tao amin’ny Fiangonana izany Korinto izany, ary na ny tenan’i Paoly aza dia nanambara fa niteny tsy fantatra mihoatra noho ny Kristiana rehetra (and.18), saingy tsy nataony ho zava-dehibe ny fananana izany satria tsy mahasoa ny namana, na ny Fiangonana, na ny olona hafa toy ny Jentilisa fa ny tena ihany, ka ny tokony homen-danja amin’ny fivorian’ny mpino. Ny olona « zaza amin’ny fahalalana » hoy izy no mirehareha amin’izany fanomezam-pahasoavana izany. (and.20a)

2. Ny faminaniana (and.22)

Ny faminaniana ambara eto dia tsy milaza ireo olona sasany izay nahazo fiantsoana manokana ho mpaminany ihany, fa mahakasika ny Kristiana rehetra izay mandray fanomezam-pahasoavana mampandroso azy hiteny araka izay itarihan’ny Fanahy Masina azy, ka hahazoan’ny Fiangonana firafetana ho Tempolin’Andriamanitra tokoa ao amin’i Kristy. Isan’izany ny fitorian-teny sy ny fampianarana, ny fananarana sy ny fampirisihana, mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ireo no tokony hokatsahina fatratra ho fampandrosoana ny Fiangonana.

Fanontaniana:

Misy ny misandoka ho miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ahoana no ahaizana mamantatra azy? (1Jao. 4,1)

Sampana Sekoly Alahady Foibe