Fihavanana sy fifankatiavana no tian’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Febroary 2026
Sal 98,1-3 / Hira 167: 1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 531
Efesiana 2,14 - 22
14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray. 19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, 20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; 21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. 22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.Fihavanana sy fifankatiavana no tian’Andriamanitra
Izao mofonaina izao dia mampahatsiaro ny asa fampihavanana goavana nataon’ Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy:
1. Mampihavana ny olona samy olona
Nisy tokoa ny fisarahana sy ny fifampiandaniana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa tamin’izany, na tamin’ny lafiny ara-pivavahana na ara-kolotsaina. Ravan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana izany rehetra izany. Vokany, tónga toy ny firenena iray, toy ny andiany iray ireo mino an’i Jesoa, toy ny vatana iray mihitsy aza, dia ny Fiangonana izany. Noho izany ny fiombonan’ny mino an’i Kristy no tokony hahitana izany fihavanana sy fifankatiavana izany satria efa iray ao amin’i Kristy na dia maro aza satria samy mandrafitra ny vatan’i Kristy, dia ny Fiangonana. Ny Fiangonana, araka izany, dia toerana iray ahitana ny fiombonana anaty fahasamihafana satria nofafan’i Kristy ny fanavakavahana amin’ny lafiny rehetra.
2. Mampihavana ny olona amin’ Andriamanitra Ray
Ireo izay lavitra fahiny, na ny Jiosy na ny Jentlisa, dia tonga akaiky ao amin’Andriamanitra Ray noho ny fampihavanana nataon’i Jesoa Kristy. Noho ny asan’ny Fanahy Masina, tsy misy intsony ireo sakana ara-pombam-pivavahana na hafa tsy hahatongavana ao amin’ny Ray. Jesoa Kristy no efa namoha varavarana, ary ny Fanahy Masina no mitarika ho ao amin’Andriamanitra Ray. Efa mitoetra ao an-tranon’ny Ray satria tsy vahiny intsony, efa lasa ankohonan’Andriamanitra mihitsy. Manana anjara sy zo tanteraka ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra satria tonga zanaky ny teny fikasana. Tsara orina io fifandraisana amin’ny Ray io satria Jesoa Kristy no fehizoro indrindra
Fanontaniana:
Nahoana no ahitana fifandirana eo amin’ny fiarahamonin’ny Kristiana matetika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe