Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra…

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Desambra 2025

Sal 9.1-6 / Hira 79 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 445,1,2

Lioka 2,8 - 14
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona; 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho et? ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]

Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra

Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra ny fahaterahan’i Jesoa, izay lazain’ny anjely hoe: « Teny soa mahafaly » satria:

1- Mpamonjy no teraka ho antsika anio (and.11)

« Mpamonjy », izany no anarana voalohany nilazan’ny anjely an’i Jesoa tamin’ireo mpiandry ondry. Rehefa tafasaraka tamin’ Andriamanitra ny olona, dia tonga nanan-kery taminy ny fahafatesana. Nitady an’Andriamanitra izy kanefa tsy nahita Azy intsony. Babon’i satana ny fony ka tonga maizina sy feno tahotra tahaka ny an’ireo mpiandry ondry. Isaorana anefa Andriamanitra, tia antsika Izy, ka nanome an’i Jesoa Zanany. Ny fahaterahan’i Jesoa dia fifaliana lehibe satria famonjena ho an’ny mpanota; fampodiana ireo izay mahatsiaro fa very; fahatanterahan’ny teny fampanantenan’ Andriamanitra; fanafahana amin’ny fatorana sy gadran’i satana mbamin’ny fanandevozan’ny ota mba hananana fiainana mandrakizay.

2-« … dia Kristy Tompo »

Ny hoe « Kristy » dia avy amin’ny teny grika iray izay midika hoe: « Mesia », ary ny heviny dia hoe: « Voahosotra ». Teo amin’ny Zanak’ Israely dia nohosorana diloilo ny mpisorona (Eks 28.41), sy ny mpaminany (1Mpan 19.16) ary indrindra fa ny mpanjaka (1Sam 9.16; 24.7). Nisy koa olona tahaka an’i Kyrosy na dia tsy nohosorana aza, nametrahan’Andriamanitra asa manokana ho famonjena ny firenena voafidy ka nantsoina hoe: voahosotr’i Jehovah. Hita amin’izany fa milaza ny toetra sy ny asan’i Jesoa avokoa ireo lafiny ireo. Fa sady Mpaminany Izy, no Mpisorona ary Mpanjaka. Tamin’ny fanetren-tena tanteraka по nahatanterahany ireo asa nanirahana Azy.

Fanontaniana:

Inona no fiovana antenainao amin’izao Krismasy izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe