Fandalinana ny Boky SALAMO

Mofonaina anio: Talata, faha 01 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 49
1 [Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 49

Mitodika amin’ny firenen-drehetra ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanao salamo , na toa inona na toa inona laharany eo amin’ny fiaraha-monina (and2,3) .

Ny haben’ny harena eo ampelatànana tsy mahavotra ny aina « fa lafo ny takalon’ny aina ka tsy takatra mandrakizay » (49.8,9) . Tsy misy na inona na inona azo atao raha mby amin’ny andro hahafatesana . Zava-poana , tsy misy azo hanankinana ny fo na ny harena na ny voninahitra eto amin’izao tontolo izao .Araka ny voalazan’ny Jak 4.6 hoe : « Fa Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona … »

Toy izany koa no ambara mahakasika ny laza amam-boninahitra . Mandalo sy mihelina toy ny akofa izany (and12). Ary izay olona manana voninahitra nefa tsy manan-tsaina dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty (Sal49.20) . Ny olona mahitsy ihany no hahazo ny lova maharitra mandrakizay . Teny fampieritreretana izany manoloana ny harena sy ny voninahitra izay mandalo ihany eto an-tany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-7


Mofon'aina teo aloha

Fandalinana ny Boky SALAMO

Zoma, 27 Septambra 2019

-Ny fahamarinana sy ny fahalemem-panahy dia andraisana valiny lehibe avy amin’ Andriamanitra ary mahatonga fisandratana…

Fandalinana ny Boky ROMANA

Alatsinainy, 5 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA Romana 14.19-23 / 15. 1-13 Ezaka andrasana amin’ny mpino mandrakariva ny…

Fandalinana ny ASAN’ny APOSTOLY

Alarobia, 3 Jolay 2019

Asan’ny Apostoly 27.1-20 Ho any Italy hiatrika ny fitsaran’i Kaisara i Paoly araka ny fangatahany…