Fandalinana ny Boky ROMANA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.1-13
1 Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena. 2 Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana. 3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra. 4 Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino. 5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5). 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,) 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.) 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. 11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika] 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 10.1-13

Ny fiezahana hifandray amin’ Andriamanitra tsy araky ny fahamarinana takin’ny fehim-pihavanan ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy manankery ary tsy manokatra làlam-pamonjena ho an’izay manao izany (and1-3).

I Jesoa Kristy no fehin’ny fahatanterahana ny lalàna . Mifarana eo amin’ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny fahatanterahan’ny lalàna (and4) . Ny fikirizana mbola hiaina amin’ny lalàna araka ny fomban’ny fivvahan’ny fanekena taloha dia fandavana tsotra izao ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy . Noho Izy dia ao amin’ny tena ny teny fikasana ho famonjena fa tsy ivelan’ny tena . Raha ny fombam-pivavahan’ny fanekena taloha dia ivelan’ny fon’ny olona ny lalàna . Fa noho ny fanekena vaovao ao amin’i Kristy kosa dia avy ao am-po no inoana ahazoana ny fahamarinan’ Andriamanitra (and9-10).

I Jesoa Kristy izany no fahatanterahan’ny lalàna . Noho izany , ny finoana Azy no loharanom-pamonjena .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha- 8


Mofon'aina teo aloha

Fandalinana ny ASAN’ny APOSTOLY

Alarobia, 3 Jolay 2019

Asan’ny Apostoly 27.1-20 Ho any Italy hiatrika ny fitsaran’i Kaisara i Paoly araka ny fangatahany…

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Alarobia, 26 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY Asan’ny Apostoly 22. 30-23.1-15 Andeha horaisintsika eto ireto hafatra ireto: 1-Fantaro…

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Alatsinainy, 10 Jona 2019

  1-Nekena fa misy ny ambaratonga mahefa 2-Tena nekena ny adihevitra mafana Tsy  manafina izany…