Fandalinana ny Boky 2 Korintiana
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Septambra 2019
Fandalinana ny Boky 2 Korintiana
2 Korintiana 4.16-18 ; 5.1-10
16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay] 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.Fandalinana ny Boky 2 Korintiana
2 Korintiana 4.16-18 ; 5.1-10
Manana hery tsy hay tohaina mandrakariva isika noho ny amin’ny finoana velona an’i Jesoa Kristy satria:
1-Manana fanantenana ny mandrakizay ao amin’i Kristy
Tsy mba ketraka noho izany isika na dia feno fahalovana aza ny tany . « Ary tsy ketraka izahay , fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany , dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetray anatiny  » (4.16). Velona ao amin’ny fanantenana ny mandrakizay isika . MitrakĂ mijery ny tsy hita dia ilay mandrakizay ao amin’i Kristy (4.17,18).
2-Tsy manana tahotra ny fahafatesana
Toy ny tranolay itoeran’ny fanahintsika ihany ity vatana ity amin’ny maha- tranolay azy dia mora rava , tsy maharitra ela , mandalo … Fa isika mpino koa dia manana trano maharitra mandrakizay izay tsy nataon’ny tĂ nan’olombelona fa voarafitr’ Andriamanitra (5.1), ny tsy manana izany trano izany dia matahotra ny hila amin’ity trano lay ity . Mety misento koa isika rehefa hiala eto satria endahina amin’ny mahazatra sy mahatamana , nefa aza matahotra (5.2-5).
3-Mandeha amin’ny finoana isika fa tsy fahitana
Tsy manana finoana marina ny olona mila famantarana sy fahitana na fahagagana . Anisan’ny voamarika teo amin’ny Jiosy izany nefa tsy tsara (1 Kor 1.21/Jao 4.48/ 6.26) . Tandremo sao voafitaka fa maro ny toy izany . Vakio Apo 13.11-18/16.13-15/Mat 24.5/Mar 13.6/ Lio 21.8) . Miandry ny fotoana hihaonantsika mivantana amin’ny Tompo isika (Jao 20.29).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8