Azo hohanina ve ny hena naterina amin’ny sampy?

Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Janoary 2026

Sal 103.17-19 / Hira 1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487

1 Korintiana 8,1 - 7
1 [Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso. 2 Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. 3 Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany. 4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany. 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na et? an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.

Azo hohanina ve ny hena naterina amin’ny sampy?

Toy izao no azo amintinana ny valin-teny nomen’i Paoly:

1- Ny fahalalana mampieboebo (and.1b)

Ny fomba fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany dia namidy teny an-tsena ny hena sisa tsy lany nanaovana sorona tamin’ny tempolin-tsampy. Ny mpividy rahateo tsy afaka ny hahalala na hena avy taiza na avy taiza no azony. Tao ireo natoky tena ho matanjaka ara-pinoana nohon’ny hafa, izay nihevitra fa tsy mampaninona ny Kristiana raha izay fombafomban’ny Jentilisa, satria tsinontsinona ny sampy, fa Andriamanitra dia tokana ihany, Rain’i Jesoa Kristy. Noho izany dia tsy tokony hanahirana ny fieritreretan’ny mino, hoy izy ireo, ny fihinanana ny hena naterina tamin’ny sampy. Nambaran’i Paoly fa ny olona toy izany dia tsy mbola tena mahalala izay tokony ho fantany ka nilazany hoe: « ny fahalalana mampieboebo ».

2- Ny fitiavana no mampandroso.

Na dia samy mahalala ny maha tsinontsinona ny sampy aza ny Kristiana dia samihafa ny fampiharany izany. Nisy tamin’ireo mpino mantsy no mbola vao haingana no niala tamin’ny fanompoan-tsampy ka tsy mbola resy lahatra hihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, na dia fantany aza fa tokony ho tsaroana ho hena toy ny hena rehetra fotsiny ihany izany. Mbola manalokaloka ny sainy ny tahotra ny sampy izay notompoiny fony izy mbola Jentilisa, satria mbola malemy ny finoany. Mbola mila fitaizana maharitra izy ireny ka tsy azo terena hanao izay tsy eken’ny fieritreretany, fa mandoto sy mamono ny finoany izany. Raha tarihin’ny fitiavana ny mpino dia vonona ny handà tena tsy hampiasa ny fahafahany izay mety hanafintohina ny namany.

Fanontaniana:

Mety amin’ny mpino ve ny manotrona ny « famadihan-drazana »?

Sampana Sekoly Alahady Foibe