Averina amin’Andriamanitra ny maro

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Martsa 2020
Asan'ny Apostoly 11,19 - 21
19 [Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20 Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [* Gr. Grika; na Helenista] 21 Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.

Averina amin’Andriamanitra ny maro

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia boky mitantara ny fomba nitoriana ny Filazantsara tany amin’ny toerana maro, tamin’ny taon-jato voalohany. Na dia noezahina nosakanana sy norarana aza ny kristiana dia tsy mba voahazona tsy hiitatra amin’ny toerana maro ny Filazantsara.

1 – Misy manakana mandrakariva ny Filazantsara (and. 19-20)

Niara-dalana mandrankariva tamin’ny fiitaran’ny filazantsara ny fanenjehana mahery vaika nahazo ny kristiana. Io fanenjehana io anefa dia tonga fitaovana iray nampivelatra ny filazantsara tamin’ny toerana maro. Lasa niely ny kristiana ka izay toerana rehetra nielezany dia nitoriany ny filazantsara. Maro ireo olona tonga kristiana. Hain’Andriamanitra arak’izao ny manitatra ny fanjakany na dia ao anatin’ny fanenjehana aza. Ilay fanenjehana mihitsy aza no tonga fomba nampihitatra haingana ny finoana kristiana.

2 – Jesoa toriana no mahatonga finoana ary mamerina ny olona ao amin’Andriamanitra. (and. 20-21)

Jesoa Kristy Tompo notoriana tany amin’ny toerana maro no nikelezan’ireo izay niely nohon’ny fanenjehana. Izany fitoriana an’i Jesoa izany dia ambara koa eto fa niampy fomban’ny Tompo. Rehefa tena Jesoa tokoa no toriana, rehefa tena Jesoa no ambara dia maro no resy lahatra ka miverina ao am-balan’Andriamanitra. Ilay Jesoa notorian’ireo no nahatonga finoana ka nahatonga olona marobe hanapa-kevitra hiverina ao amin’ny Tompo. Mahagaga ny asan’Andriamanitra fa na dia ao anaty fanenjehana aza dia hainy ny mitaona olona ho ao aminy indray.

Fanontaniana : Ahoana no fomba hamerenana ny olona ho ao amin’Andriamanitra indray?


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra mahary fiainam-baovao

Asabotsy, 14 Martsa 2020

Anisan’ny teôlôjia matanjaka teo amin’ireo mpaminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana indray, Tsy afa-misaraka amin’izay…

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo r...

Talata, 10 Martsa 2020

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra Ambaran’ny mpanoratra fa ela loatra ny fiaran’i Jehovah no…

Ireo dingana arahina handraisana ny ...

Alatsinainy, 9 Martsa 2020

Ireo dingana arahina handraisana ny Fanahy Masina Toriteny voalohany nataon’i Petera tamin’ny andro Pentekosta ity.…