Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampirindra ny fianana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Febroary 2026

Sal 146, 1-4 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731 :1,4,6

Mpitoriteny 11,4 - 8
4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery] 5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. 6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. 7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; 8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.

Asan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampirindra ny fianana

Izao Soratra Masina izao dia mitarika antsika hino ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, na dia misy tsy azo tsapain-tànana aza izany. Noho izany:

1. Matokia an’Andriamanitra (And.4-5)

Ambaran’ ireto andininy roa ireto fa misy zavatra tsy ho hay sady tsy ho voafehy mandrakizay mihitsy eo amin’ny fiainana, toy ny rivotra. Izany anefa tsy hanakana ny hitohizan’ny fiainana. Ao anatin’ireny dia misy asan’ Andriamanitra mahagaga. Ny tsara indrindra, araka izany dia ny matoky sy miantehitra amin’Andriamanitra mandrakariva. Izy no mahay sy mifehy ny zavatra rehetra eto ambany masoandro. Tena hanana tombony lehibe izay matoky sy mino fa miasa ny Tompo, ka tsy hiankina tanteraka amin’ny fahalalany.

2. Mazotoa miasa (And.6)

Noho izay tsy fahitana mivantana ny asan’Andriamanitra izay, dia ny miasa no anjaran’ny tsirairay. Ambara eto fa « mamafy » na ny maraina na ny hariva. Mila fahazotoana sy faharetana ary amin’ny fanantenana an’Andriamanitra izay miasa: mampiasa ireo nomen’ Andriamanitra, voalaza eto izao ny tànana. Ny Tompo raha mitarika ho amin’ny asa dia manolotra sy manome ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana maro samihafa. Miasa no manandrify antsika. Ny fahavokarana kosa dia an’ny Tompo.

3. Miomana amin’ny zavatra rehetra (And.7-8)

Hifandimby eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny mazava sy ny maizina, eny azo ambara koa hoe: ny tsara sy ny ratsy. Mitaona ny olona hifaly ny Soratra, kanefa mba hahatsiaro mandrakariva koa ny asan’Andriamanitra satria asan-tànany izy. Ny olombelona tokoa dia voafetra sady malemy.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatokianao ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Manana ny fomba fiasany ny Tompo

Alahady, 22 Febroary 2026

Manana ny fomba fiasany ny Tompo Fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ireo mpikarakara ny tanim-boaloboka sy…

Misy laharam-pahamehana mandrakariva...

Asabotsy, 21 Febroary 2026

Misy laharam-pahamehana mandrakariva eo amin’ny fiainana Tantara iray niseho taorian’ny nifampiresahan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana…

Ny asan’Andriamanitra

Zoma, 20 Febroary 2026

Ny asan’Andriamanitra Voalaza amin’izao Soratra Masina izao ny momba ireo vato fisaka roa mirakitra ny…