Araka ny hevitrao , marina ho an’ny kristiana ve ilay fiteny hoe : ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Martsa 2021

1 PETERA 1.3-9

1 PETERA 1.3-9
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, 4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

Araka ny hevitrao , marina ho an’ny kristiana ve ilay fiteny hoe : ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Raisin’Andriamanitra ho zanany ny ol...

Zoma, 19 Martsa 2021

Raisin’Andriamanitra ho zanany ny olona : Manana iraka hamolavola olom-banona ny ray , ka tsy maintsy ataony…

Araka ny hevitrao, inona no zavatra ...

Alarobia, 17 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…

Inona no fihetsika na fiteny mahaza...

Asabotsy, 20 Martsa 2021

Inona no fihetsika na fiteny mahazatra anao rehefa sendra tahotra ianao ? Sampana Sekoly Alahady…