Andriamanitra tsy miova ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Janoary 2022

Isaia 40. 27 - 31

Isaia 40. 27 - 31
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Andriamanitra tsy miova ny Tompo

Teny soa mahafaly ho fampiononana ny Israely no omena antsika anio, mba hampaherezana antsika koa.

1- Andriamanitra mandrakizay Jehovah (and 28)

Rehefa anatin’ny fahoriana sy famoizam-po ny olona dia manontany tena indraindray hoe : « Mba mahita izao zava-manjo ahy izao ve Andriamanitra? « Tahaka izany indrindra ny nanjo ny Israely tany am-pahababoana. Nihevitra ny sasany tamin’ireo babo fa toa tsy hitan’ny Tompo akory izay manjo azy (and.27). Mamaly izany ny mpaminany Isaia fa hitan’Andriamanitra avokoa ny manjo antsika rehetra. Ary tsy izany ihany fa Izy no mitondra sy mifehy ny zavatra rehetra. « Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany. » (and 28). Matoa avelan’Andriamanitra hiseho ny olana samihafa dia misy antony ao, izay tsy voatery ho takatry ny saina maha- olombelona. Ny azo antoka dia tsy miova Izy, ary tsy mivadika amin’ny fampanantenany.

2- Mampahatanjaka ny reraka Izy

Nisy ihany ireo izay natoky sy nanantena ny famonjen’Andriamanitra, na dia tany am-pahababoana aza. Ny olona manana faharetana manoloana ny fizahan-toetra, ka manantena an’I Jehovah dia mahazo hery avy Aminy. Tena ilaina io herin’Andriamanitra io, amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo. Eo anatrehan’ny fahantrana lalina izay mianjady amin’ny firenentsika dia mety ho kivy sy very fanantenana ny olona sasany . Raha ny herin’Andriamanitra tokoa no mitoetra ao anatintsika dia matanjaka isika. « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo… «  (Asa. 1.8).

Fanontaniana:

Inona no Tenin’Andriamanitra tsaroanao ho nampahery anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mandehana araka ny mazava

Alakamisy, 6 Janoary 2022

Mandehana araka ny mazava Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino…

Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitr...

Talata, 11 Janoary 2022

Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra Maro amin’ny olona, na dia ny milaza azy ho Kristiana aza,…

Ny toetry ny olona mahatoky an’Andri...

Alatsinainy, 10 Janoary 2022

Ny toetry ny olona mahatoky an’Andriamanitra Ity Soratra Masiana voalahatra anio ity dia ao anatin’ny…