Andriamanitra Tompon’ny fahefana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Oktobra 2025

Sal 134 / Hira 167: 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1

1 Tesaloniana 3,11 - 13
11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho at? 12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, 13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.

 

Ny Fiangonana tao Tesalonika dia tsy tena nijanonan’i Paoly noho ny fanenjehana nahazo azy. Naniraka an’i Timoty zanany ara-panahy izy hijery ny toe-draharaha. Taorian’ny tatitra nataony, dia nanam-paniriana ny hahita ireo Tesaloniana indray i Paoly. Fantatr’i Paoly mazava tsara anefa, fa maro ireo sakantsakana sy zavatra mifamahofaho mety tsy hahatanteraka izany. Izany no antony nilazany fa Andriamanitra irery ihany no « hanitsy ny lalan’izy ireo ». Mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra eto fa Andriamanitra manam- pahefana hahatanteraka ny faniriantsika Izy. An’ny olombelona ny fikasana sy faniriana, fa Izy irery no mahefa izany. Ankino amin’ny Tompo izay irin’ny fonao.

Ny Fiangonana tao Tesalonika no nijoro, dia noho ny fifankatiavan’ny samy mpino. Ary izany no nirian’i Paoly mba hampitomboan’ Andriamanitra ao amin’izy ireo. Endrika roa no ilazany azy eto: amin’ny fifankatiavana, izany hoe firahalahiana, maneho ny maha-tena iray ao amin’ny Tompo; fa eo koa ny fitiavana ny olona rehetra. Ankoatra izay dia lazain’i Paoly koa fa izany fifankatiavana izany no hahatanteraka ny « fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Ray amin’ny fihavian’i Jesoa mbamin’ny masiny rehetra ». Izy no loharanon’ny fitiavana. Raha tsy manana an’Andriamanitra ny olona dia tsy hanam-pitiavana velively. Avelao hanjaka eo amin’ny fiainanao ny Tompo, mba hanananao fitiavana, hahaizanao mitia Azy sy ny olona rehetra, mba tsy hanananao tsiny amin’ny fiavin’i Jesoa fanindroany.

Inona avy no endrika isehoan’ny fahefan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?