Andriamanitra no nahary antsika olombelona

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Janoary 2023

GENESISY 1.26-28

GENESISY 1.26-28
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. 28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.

Andriamanitra no nahary antsika olombelona

Amin’ny finoana araka ny Soratra Masina no ahatakarantsika fa Andriamanitra no nahary antsika ary zava-boahariny isika.

1-Andriamanitra nahary antsika araka ny endriny

Miavaka amin’ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra ny olombelona noho izy nohariana araka ny endrik’Andriamanitra .Ny hevitr’izany dia izao : nohariana mba haneho ny Voninahitr’Andriamanitra isika ka nataony hita taratra eny amimtsika ireo toetran’Andriamanitra toy ny fitiavany,ny fahendreny,ny fahamarinany sy ny fahamasinany , ny heriny Tsitoha.Rehefa mitodika amin’Andriamanitra ny olona dia manana fahafahana hanao ny sitrapony ka manahaka Azy. Ny fifandraisany amin’Andriamanitra no ananany fahafahana hanjaka amin’ny zava-boahary rehetra. Rehefa mitodika any an-kafa kosa izy dia very ny endrik’Andriamanitra ao aminy ka lasa andevon’izay itodihany izy dia ny fahoriana sy ny fahafatesana .Ao amin’i Jesoa Kristy no ahalalantsika ny endrik’Andriamanitra .

2-Andriamanitra nahary ny olona ho lahy sy vavy

Ny fisian’ny namana no fahatanterahan’ny fahatsarana dia ny fananany vady sahaza na mpanampy tandrify . Ny fiaraha-monin’ny lahy sy ny vavy ao amin’ny fanambadiana no anehoan’Andriamanitra ny zava-miafina eo amin’ny fiainan’i Jehovah amin’Israely sy ny firaisan’i Kristy amin’ny fiangonana. Ny fipoiran’ny taranaka avy amin’ny fanambadiana araka an’Andriamanitra dia tonga fitahiana ho an’ny hafa koa. Ny fiangonan’Andriamanitra dia tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy satria tsy araka ny lamina napetrak’Andriamanitra azy izany .

Fanontaniana :

Inona no heverinao fa mampiavaka ny fanambadiana kristiana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny...

Alatsinainy, 2 Janoary 2023

APOKALYPSY21.1-8 Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao Ny Soratra Masina dia milaza…

Jesoa Kristy no lohan’ny fahariana v...

Zoma, 6 Janoary 2023

Jesoa Kristy no lohan’ny fahariana vaovao Ho fanoherana ny fampianaran-diso tany Kolosia no nanoratan’i Paoly…

Ny lalan’ny fibebahana marina

Alakamisy, 5 Janoary 2023

Ny lalan’ny fibebahana marina Izay rehetra maniry hanana fiainam-baovao ao amin’i Kristy dia aoka samy…