Andriamanitra mpanjaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Febroary 2020

SALAMO 93.1-5

SALAMO 93.1-5
1 [Ny fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. 2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao. 3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka. 4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo. 5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.

Andriamanitra mpanjaka

1-Be voninahitra (and4)

Tononkira fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra Mpanjaka noho ny famonjeny sy ny fanafahany ny vahoaka Jiosy avy tany am-pahababoana .Efa nampanantena fanafahana ny Jiosy ny Tompo fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hiverenan’izy ireo any Jerosalema , saingy tsy nino izy ireo. Eto anefa , tanteraka izany , resy ny fahavalo , faly ny vahoaka , niaiky fa tsy misy Mpanjaka lehibe afa-tsy i Jehovah. Ny olona izay mahatsapa ny famonjena lehibe nataon’ Andriamanitra taminy no faly ka manome voninahitra nyTompo . Koa raha eken’ny olona fa Kristy no Mpamonjy azy dia hanaiky ny maha- Mpanjakan’ny mpanjaka an’i Jesoa Kristy izy (Apo 1.5) . Omeo Voninahitra i Jesoa Kristy.

2-Manamafy orina ny fanjakany (and5)

Andriamanitra no nametraka ny lalàna ho fototra iorenan’ny fanjakany mandrakizay sy ny teny fampanantenana hampaharitra ny vahoakany , ary ny Tempoly no vavolombelon’ny fanatrehan’ny fanjakan’ Andriamanitra ny vahoakany . Ny fanekena ny maha- Mpanjaka an’Andriamanitra dia fiainana ao amin’ny fiangonana amin’ny fankatoavana ny lalàna sy fanantenana feno ny fiainana mandrakizay , izay santarina dieny ety an-tany . Ao amin’i Jesoa Kristy no fototra iorenan’ny lalàna sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay ambaran’ny fiangonana.

 Fanontaniana :

Iza na inona no ekenao ho mpanjaka eo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …