Andriamanitra mihevitra ny olony
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Janoary 2026
Sal 149.1-4 / Hira 241:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334
Genesisy 18,9 - 15
9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. 10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. 11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. 12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? 14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. 15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.Andriamanitra mihevitra ny olony.
1-Mahafantatra ny tsy ampy eo amin’ny olony
Nahafinaritra tokoa ny fandraisam-bahiny nataon’i Abrahama tamin’ireo anjely telo mirahalahy tao amin’ny alan’i Mamre. lo no fotoana namangian’Andriamanitra azy. Fantatry ny Tompo fa tsy mba niteraka i Abrahama sy Saraha vadiny na dia efa nandroso ho antitra aza. lo olana sedraintsika mpino io koa ry havana, dia tsarovy fa tsy miafina eo anatrehan’Andriamanitra fa fantany avokoa; ary mahalala izay hatao amin’izany izy, saingy miandry ny fotoany. Mila tsara fifandraisana amin’ Andriamanitra hatrany koa isika mba hahafahany mamangy antsika.
2-Manome izay hahafaly ny olony
Manana ny fotoany Andriamanitra amin’ny zavatra irin’ny olony mba hahafahany maneho ny voninahiny amin’ny fahagagana. Nampanantenainy tokoa i Saraha fa hitoe-jaza na dia efa nitsahatra amin’ny fombam-behivavy aza. Ny olona tokoa no voafetran’ny taona sy ny toe-batana, fa Andriamanitra kosa tsy voafetran’izany, ka dia nomeny ny teny fikasana fa ho tanteraka izany fifalian’i Saraha hanana anaka izany, na dia tsy araka ny lalanan’ny natiora aza izany, raha ny fahanterany no jerena. Hoy tokoa Andriamanitra hoe: « Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’I Jehovah va? ». Na dia heverin’ny olona ho tsy mitombina intsony aza ny hahatanteraka io fanirianao masina io dia tsarony fa raha ny Tompo no miasa dia tsy misy mahasakana, fa manana ny fotoany Izy hanomezany anao izany, mba hahatanteraka ny fifalianao.
Fanontaniana:
Mino tokoa ve ianao fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’ Andriamanitra atao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe