Andriamanitra mifidy ny mpanompony

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Janoary 2026

Sal 144:1-4 / Hira2:1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 630:1-2

Josoa 1,1 - 9
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy: 2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely. 3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy. 4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. 5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. 6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry] 8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry] 9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

Andriamanitra mifidy ny mpanompony

1- Manome andraikitra mazava azy

Nofidin’ Andriamanitra i Josoa mba handimby an’i Mosesy. Mazava tsara ny andraikitra napetraka tamin’i Josoa, dia ny hitarika ny zanak’Israely hita ny ony Jordana sy hiditra ny tany Kanana. Ny biby tsy misy lohany tokoa mantsy hono tsy mandeha. Rehefa mifidy olona Andriamanitra dia ataony mazava tsara ny andraikitra, mba hahatanterahana izany.

2- Manome toky sy mampahery azy

Sarotra ny andraikitra nomena an’i Josoa. Nampahery azy mivantana mihitsy ny Tompo ka nanome toky fa ny tany rehetra nampanantenany an’i Mosesy ho an’ny zanak’Israely dia homeny ho eo ampelatanany avokoa; ary tsisy fahavalo hahasakana izany. Andriamanitra no hiady sy hahatanteraka izany ho azy ireo. Tsarovy fa manome toky anao koa Izy amin’izay asa ifidianany sy ampanaoviny anao.

3-Mampitandrina azy

Mba hiainana mandrakariva amin’izany fanomezan-tokin’ Andriamanitra izany dia mampitandrina koa Izy ny amin’izay tsy maintsy hitandremana ny lalàny. I Mosesy dia nitandrina izany ka nahafahany nanao ny andraikitra nampanaovina azy. Mifampiankina ny fitandremana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny fampanantenany; koa tandremo ny didiny sy ny lalány.

Fanontanina:

Mazava aminao ve ny andraikitra nomen’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Ny fanasitranan’i Jesoa

Talata, 27 Janoary 2026

Ny fanasitranan’i Jesoa 1- Ho an’izay manantona Azy Tsy nisalasala tokoa ity lehilahy boka ity,…

Ny tena mpanompon’ Andriamanitra

Alatsinainy, 26 Janoary 2026

Ny tena mpanompon’ Andriamanitra 1- Mahay mifampitsinjo sy mifanampy Ny Fiangonana tao Filipy dia nijoro…

Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra

Alahady, 25 Janoary 2026

Sal 101.1-5/Hira33:1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 622. Isaia 65:17-25 Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra 1- Mamindra fo Izy Ny faharian’Andriamanitra…