Andriamanitra marina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Febroary 2020

SALAMO 119.137-144

SALAMO 119.137-144
137 [TSADE] Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. 138 Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. 139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. 140 Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao. 141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. 142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. 143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. 144 Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.

Andriamanitra marina

Ny fahamarinan’ Andriamanitra dia tsapan’ny mpanompony amin’ny fahatanterahan’ny teniny .

1-Teny mahitsy

Izay rehetra ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny dia marina avokoa . Tsy mamitaka Andriamanitra . Aseho amin’ny alalan’ny fanatanterahany ny Teniny izany. Mahazo toky noho izany ny mpanompony manana sy miaina amin’ny teniny .Tian’ Andriamanitra isika ka nomeny ny teniny . Teny mahitsy azo antoka . Koa mazotoa mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra.

2-Teny tsy miova

Mankamamy ny Tenin’ Andriamanitra ny mpanompony . Na dia misy aza ireo sokajin’olona toa tsy mandray izany teny izany dia resy manankery amin’ny toe-javatra rehetra natrehany teo amin’ny fiainana.Teny azo antoka ,tsy miova amin’ny vanim-potoana rehetra .

3-Teny mampijoro

Tsapan’ny mpanompon’Andriamanitra ity fa toa kely sy tsinotsinona izy manoloana ny toejavatra natrehany ,tsy nanana izay maha-izy azy eo amin’ny fiaraha-monina , ary indrindra toa miezaka nampahory azy ny fahavalo.Tsy nanankery niatrehana izany izy , kanefa noho ny Tenin’ Andriamanitra izay noraisiny ho fiainana dia tafajoro hatrany izy . Ho anao koa : mandraisa ny toro-làlana avy amin’ Andriamanitra voarakitra ao amin’ny teniny izany.

Fanontaniana:

Aiza ny vahaolana hitondrana ny fiainana raha mandalo fitsapana? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alakamisy, 2 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ASAN’NY  APOSTOLY 9.1-9 1-Jesoa Kristy miandany  amin’ny mpanompony Sarotiny  tamin’ny…