Andriamanitra manavao ny zavatra rehetra
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Janoary 2026
Sal 5.1-7 / Hira 236.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487:1
Apokalypsy 21,1 - 5
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.Andriamanitra manavao ny zavatra rehetra
1-Manao lanitra vaovao sy tany vaovao
Anatin’ny fahoriana tokoa ny tontolon’ny fivavahana tamin’ny fotoana naha tany am-ponja an’i Jaona. Tany am-pigadrana izy no nahita ny fahitana izay lazainy eto. Nampaherezin’ Andriamanitra izy ka nampahitany lanitra vaovao sy tany vaovao. Izany no midika fa tsy maharitra ny tontolo iainantsika ankehitriny, izay feno fahoriana, fahotana ary fahafatesana ka tsy tokony hanankinana ny fo sy saina. Ny lanitra vaovao sy tany vaoavao no tokony ho banjinina.
2-Manavao ny fifandraisany amin’ny olona
Na dia miaina ao anatin’ny fahotana aza ny olona dia mbola hanavao ny olony Andriamanitra mba hahafahany mifandray hatrany amin’ny olona, araka ny volazan’ilay feo hoe: « indro ny taberanakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ny olona ». Tsy mihataka lavitra Izy fa hitoetra miaraka amin’ny zanany ao amin’ilay tontolo vaovao izay ahitana fifandraisana feno amin’Andriamanitra. Te hanavao ny fifandraisany amintsika hatrany Andriamanitra.
3-Manavao ny fahatokisana Azy
Hoy ny fahitana hoe: « Soraty fa mahatoky sy marina ireo teny ireo« . Eto Andriamanitra dia mampahery an’i Jaona sy ny Fiangonana, fa ny teny fampanantenan’ Andriamanitra dia tsy anganongano na fampanantenana poak’aty, fa Teny marina sy azo itokiana; ary tsy maintsy ho tanteraka ka tokony hinoana sy hitokiana. Matokia Azy fa mahatoky ny Teniny.
Fanontaniana:
Manaiky sy mino ve ianao fa hain’Andriamanitra ny manavao ny zavatra rehetra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe