Andriamanitra manameloka ny mpanao ratsy

Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Martsa 2026

Sal.27. 7-10 / Hira 16 1,4 /Vavaka / Mofonaina /Vavaka / Hira 417.1,3

Salamo 50,16 - 23
16 Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? 17 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. 18 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga. 19 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka. 20 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika* ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika] 21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. 22 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. 23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.

Andriamanitra manameloka ny mpanao ratsy

1-Manambara ny faharatsiany (and. 16-20)

Fanamelohana nataon’Andriamanitra tamin’ny mpanao ratsy no hita eto. Nanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah ihany ny olona kanefa nandà ny « fananarana » sy nankasitraka ny mpanao ratsy sady nanao ratsy (and.18-20). Manoloana izany, nambaran’ Andriamanitra ny faharatsian’ireo vahoaka ireo. Andriamanitra dia maniraka olona hisolo tena Azy amin’ny filazana sy ny fanambarana ny fahotan’ny olona, mpaminany no nirahiny tany aloha, ary ny Fiangonana kosa ankehitriny. Nandray fahefana hananatra ny mpanao ratsy ny Fiangonana. Koa raha manambara ny fahotanao ny Fiangonana, satria Tenan’i Kristy ety an-tany, dia aza tezitra fa ekeo amim-panetren-tena izany satria irak’ Andriamanitra hanambara ny faharatsiana iainanao izany.

2-Mampitandrina azy (And.21-23)

Andriamanitra dia mahari-po sy mora Fanahy ary mandefitra. Indraindray anefa misy ny olona manamavo izany toetran’ Andriamanitra izany ka manohy hatrany ny faharatsiany. Ary misy aza olona mihevitra fa eken’Andriamanitra izany matoa tanteraka. Eto anefa, mananatra sy mampitandrina ny olona tahaka izany Andriamanitra. Hitaona ny olona ho amin’ny fibebahana no antony mahatonga an’Andriamanitra maniraka mpanompo hiteny sy mananatra anao amin’ny ratsy ataonao ka mibebaha, aza manamarin-tena. Raha tsy izany, dia mampitandriana anao Izy fa ho tonga ny fitsarana anao. Koa mibebaha raha misy irak’i Jesoa mananatra anao ho fiarovana anao amin’ny loza mety hahazo anao.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hahatongavana amin’ny fibebahana haingana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa

Asabotsy, 7 Martsa 2026

Ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa 1- Ahazoana vokatra tsara «kanefa noho ny teninao; dia halatsako…

Ny olona mamantatra ny tenany

Zoma, 6 Martsa 2026

Ny olona mamantatra ny tenany 1-Mandinika ny finoany « Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana…

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’A...

Alakamisy, 5 Martsa 2026

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’Andriamanitra 1. Fahamarinana ara-piarahamonina Rv olombelona, efa naseho anao izay…