Andriamanitra mamonjy amin’ny fahoriana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Desambra 2025
Sal 147.1-6 / Hira 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 10
Salamo 130,1 - 8
1 [Fitarainana ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako. 3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? 4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. 5 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. 6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina. 7 Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; 8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.Alatsinainy, faha 08 Desambra 2025
Sal 147.1-6 / Hira 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 10
Salamo 130. 1-8
Andriamanitra mamonjy amin’ny fahoriana
1-Mihaino ny fitarainan’ny mpanota
Eto ny mpanao Salamoia manandratra ny vavaka fitarainany sy ny fifonany manolonana ny fahoriana izay manjo azy. Mihevitra mantsy izy fa ny fahoriana mihatra dia vokatry ny fahotana. Na izany aza anefa dia Mpamonjy tsara azo itokiana Andriamanitra, ka izay mahatsiaro mandalo fahoriana noho ny fahotana dia mbola afaka miantso Azy sy miandrandra famelan-keloka avy Aminy, mba hahazoany ny famindrampo sy ny famonjena. Tena mamindra fo tokoa Andriamanitra. Fa raha mandinika ny heloka tokoa Andriamanitra dia tsy misy hahajanona eo anatrehany noho ny fahamasinany. Izany indrindra no mahatonga ny mpanoratra hitalaho mafy amin’ny alalan’ny fiangaviana, satria velona Izy ka mihaino ny fifonana.
2-Mendrika hametrahana ny fanantenana
Ny fahatokiana an’Andriamanitra ho mpamindra fo no itaoman’ny mpanao Salamo ny mpiray firenena aminy hanantena an’Andriamanitra sy hino fa ao amin’i Jehovah ihany no misy ny fanavotana sy ny famonjena. Izy no afaka hanavotra amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahoriana vokatr’izany. Izany no ahafahan’ny olona izay tena miandry fatratra azy tokoa mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo. Hoy mantsy ny Isaia 49. 23d manao hoe « Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy« . Miandrasa sy manantenà an’i Jehovah dia tsy ho menatra ianao amin’izay olana manjo anao.
Fanontaniana:
Manantena sy miandry an’i Jehovah tokoa ve ianao raha sendra zava-tsarotra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe