Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Janoary 2026
Sal. l46.1-5 / Hira 20:1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460:1-2
Joda 1,1 - 25
1 [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy; 2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana. 3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina. 4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika] 5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino. 6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. 7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. 8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3] 9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". 10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany] 11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. 12 Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina] 13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina. 14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina 15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." 16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra. 17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. 24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra
1-Miaro amin’ny fahalavoana
Voalaza eto ny hoe « maharo anareo tsy ho tafitohina ». Sary an’ohatra entina ilazana fa toy ny kiraro vy fametraka eo amin’ny tongotry ny soavaly mba hiarovana ny tongony tsy ho simba izany. Midika izany fa mafy ny fiarovan’Andriamanitra ny olona mba hahatonga ny olona mino Azy tsy ho lavo. Andriamanitra no mahay miaro ny olona mino Azy, mba hahatonga izany olona izany hahajoro tsara amin’ny finoana. Na dia misy aza olona sasany miala amin’ny finoana, ny olona matoky an’Andriamanitra kosa voaaro amin’ny fahalavoana sy ny fiviliam-pinoana. Tsara antoka izay matoky an’Andriamanitra satria efa nanome antsika an’i Jesoa Kristy Izy, hiorenan’ny finoantsika ao Aminy, indrindra hiaro ny finoantsika tsy ho levona.
2-Manadio antsika
Ny filazana eto hoe « ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, » (Joda 24, dia teny fampiasa amin’ny biby madio azo atao fanatitra ho an’Andriamanitra. Ny olona mpanota dia tsy mahazo miseho eo anoloan’ny fahadiovana sy fahamasinan’ Andriamanitra. Koa raha ho avy ny fotoana hisehoana eo anatrehan’ny Tompo rahatrizay, satria madio ny mpino dia afaka miatrika ny voninahitr Andriamanitra sy Jesoa Kristy izy. Ny fanadiovana antsika tamin’ny alalan’ny rà soan’i Kristy no ahafahantsika mpino miatrika ny voninahitr’Andriamanitra rahatrizay, rehefa hiseho eo anatrehany isika.
Fanontaniana:
Raha hanao trano ianao, hatoky an’Andriamanitra sa hatoky mpanandro?
Sampana Sekoly Alahady Foibe