Ampiasao izay anananao ho amin’ny iraky ny TOMPO

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Janoary 2026

Sal 111. 1-10 / HF 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444. 1,4

Matio 14,13 - 21
13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety* nanaraka Azy.[*Na: nandeha tongotra] 14 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny. 15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy. 16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy. 17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy at? aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa. 18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany. 19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka. 20 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo. 21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

Ampiasao izay anananao ho amin’ny iraky ny TOMPO

1- Maniraka ny mpianany handray andraikitra Izy

Nitokana tany an-tany efitra i Jesoa sy ny mpianany, nefa dia nanaraka Azy koa ny vahoaka ka dia nanasitrana ny marary teo aminy Izy. Nony hariva ny andro dia nandroso hevitra ny mpianatra mba handefasana ny vahoaka hitady izay hohaniny satria noana ireo. Tsy nanaiky izany anefa i Jesoa. Nomeny baiko ny mpianatra mba hanome hanina ho azy ireo. Raha mipetraka eo amin’ny toeran’ny mpianatra isika dia hahatsapa fa misy zavatra sarotra takarina amin’ny saina maha olombelona ny Tenin’i Jesoa satria vahoaka mihoatra ny dimy arivo no hofahanana (and.21), nefa ny eo am-pelatanana tsy maharaka an’izany. Tian’i Jesoa haseho amin’ny mpianany fa mahefa ny zavatra rehetra Izy, ary amin’ny alalan’ny mpianany no anehoany izany ka nilazany hoe: « omenareo hanina izy! ». Ny anjaran’ny mpianatra dia ny manatanteraka izay lazain’i Jesoa araka izay azony atao.

2- Mahay mampitombo izay eo am-pelatanana Izy

Tsy nisy afa-tsy mofo dimy sy trondro roa monja tany amin’ny mpianatra, ary nambaran’izy ireo tamin’i Jesoa izany olana izany (and.17). Tian’i Jesoa ny hamborahantsika Aminy ny tsy fisiana sy ny olana izay miseho. Rehefa natolotra an’i Jesoa izay nisy teo am-pelatanana dia nasehony ny voninahiny: Izy no mahatanteraka ny zavatra rehetra izay nolazainy. Izy no manao fahagagana amin’ny alalan’ny vavaka alohan’ny fisakafoanana. Feno fitahiana noho izany ny sakafo ka ampy hahavoky ny rehetra. Rehefa nangonina ny sisa tsy lany dia mitovy amin’ny isan’ny mpianatra, samy nitondra iray harona avy izy rehetra…

Fanontaniana:

Inona no asa miandry ny Fiangonana manoloana ny fahantrana sy ny tsi-fanjarian-tsakafo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe