Ahoana ny fahatakaranao ny fomba fiantsoana sy fifidianan’Andriamanitra?

Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Jolay 2023

Jeremia 1:4-10

Jeremia 1:4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.

Jeremia 1:4-10

Ity tantaran’ny fiantsoana an’i Jeremia mpaminany ity dia mamerina amintsika hahatsiaro indray fa Jehovah dia:
1- Mahalala izay hantsoiny (and 4)
«Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an ‘ny firenena» .Misongadina eto fa ny olona antsoin’ Andriamanitra hiara-hiasa Aminy, dia tsy olona sendra nantsoina na nosamborina tampotampoka fa efa fantany mialoha hatrany am-piandohana .Ary rehefa tonga ny fiantsoany dia tsy azon’ny olona hiodivirana izany !

2- Manampy izay antsoiny (and 9)
«Indro efa nataoko ao am-bavanao ny teniko» .Teo anatrehan’ny fiantsoana azy, dia nitady izay hialana i Jeremia ka nitanisa ny fahalemeny no hevitra hitany ho tsy mahay mandaha-teny, mbola zaza. Tsy zavatra tsy fantatry ny Tompo anefa akory ireny, kanefa koa tsy manakana Azy tsy haniraka izany . Ny mahafinaritra dia izao : rehefa nofidiany sy nantsoiny ary irahiny dia omeny miaraka amin’izany koa izay ilaina hahefana ny iraka .Eto dia Izy Tompo mihitsy no mametraka, ny teny ao an-bavan’i Jeremia. Tsy misy olana tanisaintsika, hialana amin’ny asan’Andriamanitra ka tsy hahitany vahaolana! Maneke rehefa ilainy.
3- Manome fahefana izay antsoiny
«Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana.». Ny fahefana omen’ ny Tompo dia ny hery ho enti-manatanteraka ilay asa sarotra sy mafy; nefa ihany koa fahefana tsy azon’iza na iza lavina satria ny Tompon’ny fahefana no manome izany!
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatakaranao ny fomba fiantsoana sy fifidianan’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ahoana ny fahatakaranao ny fifampian...

Alakamisy, 13 Jolay 2023

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Mofonaina: Andriamanitra ...

Talata, 11 Jolay 2023

Deoteronomia 7. 6-8 Avy amin’ny mofonaina anio dia aoka hahatsiaro isika fa: 1- Manan-Tompo (and…

Hatraiza ny fiainantsika ny maha- ol...

Alatsinainy, 10 Jolay 2023

1- Hiteny amim-pahasahiana (and 2) «Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako» hoy ny…